Ho zatovo mahery!
Manaja ny vatako
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Feon’ny zatovo

Manaja ny vatako

zatovovavy iray mijery ny tenany eo amin’ny fitaratra

Sary nataon’i Katelyn Budge

Izaho dia mianatra any amin’ny sekoly iray izay ahitana ankizivavy manao akanjo somary mihanjakanjaka, misotro kafe ary manao safidy izay tsy mifanaraka amin’ireo soatoavina iainako.

Ny boky torolalana Ho zatovo mahery! dia nanampy ahy mba hitoetra ho mahatoky amin’ireo didy sy ireo zavatra inoako. Ohatra, manaja ny Tenin’ny Fahendrena aho, ka rehefa manasa ahy hisotro kafe ny namako dia mandà amim-pahalalam-pomba aho. Rehefa manoro hevitra mba hanao karazana akanjo vitsivitsy izy ireo dia misafidy akanjo izay mampahazo aina sy mahamaotina ahy aho. Mino aho fa zava-dehibe ny fahamaotinana satria tempoly ny vatantsika. Rehefa misafidy ny hanao fitafy maotina aho dia maneho ny fanajako ny vatako sy ny fankasitrahako an’ Andriamanitra.

Miezaka mampihatra ireo fampianaran’ny filazantsara eo amin’ny fiainako isan’andro aho, ary rehefa miatrika olana aho dia mitodika any amin’ny fandalinana soratra masina mba hahazoana fitarihana sy fanambarana. Fantatro fa tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hitarika sy hiaro antsika mandrakariva ny Ray any An-danitra rehefa mikatsaka Azy isika. Mitahy antsika isan’andro Izy na dia amin’ny fomba madinika aza.

zatovovavy

Mamello M., 16 taona, Faritanin’i Gauteng, Afrika atsimo

Izy dia tia milalao échecs, manamboatra mofomamy, milalao zavamaneno, mianatra fiteny samihafa, mandalina ny astronomie, milalao hockey sur gazon, ary mamorona zavakanto.