Ho zatovo mahery!
“Miaraha mandeha Amiko”: ndeha hovoaboasantsika izany
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2026

“Miaraha mandeha Amiko”: ndeha hovoaboasantsika izany

Teny anankitelo no mandrafitra ny teny filamatra ho an’ity taona ity kanefa maro ny zavatra azon’ny tsirairay avy amin’izy ireo ampianarina antsika.

Sary famantarana ny lohahevitry ny zatovo ho an’ny taona 2026

Sahala amin’ilay teny filamatry ny zatovo tamin’ny taon-dasa, “Banjino i Kristy”, ny teny filamatra amin’ity taona ity, “Miaraha mandeha Amiko” dia sarin-teny. Eo amin’ity fiainana ity, ny ankamaroantsika dia tsy hanana fahafahana hahita na hiaraka handeha ara-bakiteny amin’ny Mpamonjy. Noho izany dia inona no dikan’ny hoe “mandeha” miaraka amin’ny olona iray izay tsy eo ara-batana? Ndeha hovoaboasantsika izany.

Mandeha

Rehefa niantso an’i Enoka ho mpaminany ny Tompo dia nomeny fampanantenana izy: “Ny teninao rehetra dia hohamariniko; ary ny tendrombohitra dia handositra eo anoloanao, ary ny renirano dia hivily amin’ny alalany; ary hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao; koa miaraha mandeha Amiko” (Mosesy 6:34).

Raha nampanantenana ianao fa ny hoe miara-mandeha amin’ Andriamanitra dia midika fa hanamarina ireo teninao sy hanaisotra ny sakantsankana eo amin’ny lalanao ary hiaraka aminao mandrakariva Izy, dia nahoana ary ianao no tsy hiaraka handeha Aminy?

Vaovao tsara: ianao dia nampanantenana an’izany, vao tsy ela akory angamba fa tamin’ny Alahady farany teo. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao dia manaiky ny “hahatsiaro Azy mandrakariva”, izany hoe hiaraka handeha Aminy. Ary nahoana ianao no manao an’io? “Mba hanana[nao] mandrakariva ny Fanahiny miaraka [Aminao]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77; nampiana fanamafisana).

Hotsikaritrao izao fa ny Tompo dia tsy niteny tamin’i Enoka hoe: “Mitsangana eto dia jerijereo ny manodidina ahy.” Tsy niteny Izy hoe: “Mipetrapetraha dia miaraha maka aina kely Amiko.” Hoy Izy: “Miaraha mandeha Amiko.” Tsy maintsy manao asa mifanaraka amin’ireo fitaomam-panahy raisintsika isika. Tsy maintsy manao sy miteny izay inoantsika fa marina isika.

Araka ny nambaran’ny Filoha Marion G. Romney (1897–1988), mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Tsy afaka mitarika ny diantsika Izy raha tsy rehefa manetsika ny tongotsika isika.”

Saingy jereo anie hoe inona koa ny zavatra tsy nolazain’ny Tompo e. Tsy niteny Izy hoe: “Miaraha mihazakazaka Amiko.” Tsy niteny Izy hoe: “Ndeha hitsambikimbina miaraka Amiko hiala mora foana an’ireo sakantsakana rehetra misy eo aminao.” Tsy niteny Izy hoe “[mihazakazaha] haingana kokoa noho izay tratry ny herin[tsika]” (Môzia 4:27). Tsy miandrandra ny handehantsika mafy be tsy tapaka Izy. Tsy miandrandra ny tsy hanaovantsika fahadisoana na tsy hahakivy antsika Izy. Tiany fotsiny isika handroso hatrany.

Miaraha

Miaraka mandeha amin’ny Mpamonjy isika. Tsy any alohany. Tsy handeha lavitra Azy mihitsy!

Rehefa miara-mandeha ara-bakiteny amin’ny olona iray ianao dia mandeha mifanila aminy. Kanefa ao amin’io sarin-teny io, isika dia somary ao aoriana kelin’ny Mpamonjy fotsiny. Mitarika antsika Izy ary isika manaraka, akaiky tsara.

Rehefa eo amin’ny lalana tsara ianao, ilay lalana dia tsy “mitarika” anao mankany amin’i Jesoa fa eo amin’ilay lalana koa Izy! Tsarovy ny fanasan’ny Tompo! Ny Tompo, amin’ny alalan’ny Fanahiny, dia hiaraka aminao mandrakariva raha mbola manohy manasa Azy ianao.

Ny toerana misy anao eo amin’ilay lalana dia tsy dia manahiran-tsaina firy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy noho izay lalan-kizoranao. Hankeo aminao eny amin’izay toerana misy anao Izy Ireo. Tsy mampaninona koa na miadam-pandeha aza ianao.

Amiko

Mila manao asa isika (MANDEHA). Mila manao izany araka ny didin’ Andriamanitra sy ireo bitsiky ny Fanahy isika (MIARAKA). Ary tsy misy olon-kafa ankoatra an’i Jesoa Kristy (AMIKO) no hiarahantsika manao izany rehetra izany.

(Koa satria i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra ary ny Fanahy Masina dia iray tanjona—jereo ny Jaona 10:30; 17:21; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:2—dia marina ny milaza fa ianao dia “miara-mandeha amin’ Andriamanitra”, “miara-mandeha amin’ny Mpamonjy”, “miara-mandeha amin’ny Fanahy” na izay rehetra mitovitovy amin’izany.)

Maro be ireo feo harahina eto amin’ity tany ity. Tsy lany laniana ireo mpandresy lahatra (influenceurs) sy olo-malaza ary mpanao pôlitika izay maniry ny hiarahanao “mandeha” amin’izy ireo (na hanomezanao vola azy ireo farafahakeliny). Mety hanampy ny zavatra lazain’ny hafa, saingy rehefa mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ihany izany.

Miaraha mandeha Aminy.

Fanamarihana

  1. Marion G. Romney, “The Basic Principles of Church Welfare”, fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, apr. 1981 (Ensign, May 1981, 91).