Ireo fampanantenana sarobidin’ny drafitry ny Ray
Tokony ho vontom-pankasitrahana ny fontsika rehefa mandinika ny drafitra lehiben’ Andriamanitra ho antsika.
Sary nataon’i Alyssa Petersen
Ny drafitry ny Ray dia mamariparitra ireo “teny fikasana sady soa no lehibe indrindra” (jereo ny 2 Petera 1:3–4) ary ireo fahamarinana izay mamaritra ny maha-izy antsika mandrakizay sy ny tanjontsika.
Araka ny hazavaina ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”: “ny olombelona rehetra—na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”
Nampanantena antsika ny Ray any An-danitra fa raha manaraka ny drafiny sy ny ohatra napetraky ny Zanany Malala isika, mitrandrina ny didy ary maharitra ao amin’ny finoana hatramin’ny farany dia “[hahazo] ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).
Ny asan’ Andriamanitra dia mifantoka amin’ny fivoarana sy ny fisandratan’ireo zanany. Ny ampahany tsirairay ao amin’ny drafiny dia natao hitahy antsika satria “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imaso[ny]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).
Ny drafitry ny Ray
Nandritra ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia novelabelarin’ny Ray any An-danitra tamin’ireo fanahy izay zanany ny drafiny ho an’ny fivoaran’izy ireo sy ny fahasambaran’izy ireo mandrakizay. Nolazainy antsika fa handefa antsika ho ety an-tany Izy mba hijerena raha toa isika hankatò Azy sy ho mendrika ny “hanana voninahitra anampy eo ambony lohan[tsika] mandrakizay mandrakizay” (jereo ny Abrahama 3:24–26).
Ary hoy Izy: “Iza no hirahako? Ary namaly ilay anankiray izay tahaka ny Zanak’Olona hoe: Inty Aho, iraho Aho. Ary ny anankiray hafa dia namaly ary nanao hoe: Inty aho, iraho aho. Ary hoy ny Tompo: Haniraka iry voalohany Aho.
“Ary tezitra ilay faharoa, … ary tamin’izay andro izay dia maro no nanaraka azy” (Abrahama 3:27–28).
Drafitra iray ihany no naroso, dia ny drafitry ny Ray izany. Ny Raintsika any An-danitra dia tsy nametraka fanontaniana hoe: “Inona no hataontsika?” Tsy nikatsaka torohevitra, tolo-kevitra, na nangataka sosokevitra Izy. Ny fototry ny fanontaniany dia nifantoka tamin’izay tokony halefa mba hanatanteraka ireo fepetra fototra takina ao anatin’ny drafiny.
Tsy namelabelatra drafitra izay nolavin’ny ankamaroan’ireo mpandray anjara nandritra ny filankevitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Losifera. Nikomy izy! Nikatsaka ny handrava ny fahafaha-misafidin’ny olona izy, natsipy tety an-tany ka “tonga Satana, … ny devoly, ny rain’ny lainga rehetra, mba hamitaka sy hanajamba ny olona, mba hitarika azy ho babo araka ny sitrapony” (jereo ny Mosesy 4:1, 3–4). Ny avonavona sy ny fianjonanjonana ary ny fitiavan-tena no nandrisika ny fikomiana nataony teo anatrehan’ny drafitry ny Ray.
Ny drafitry ny Ray sy ny filazantsaran’ny Mpamonjy
Ilay drafitra dia mamariparitra ny asan’ny Ray sy ny Zanaka izay mahatonga ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay ho afaka ny ho azon’ny zanakolombelona.
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no ilay fomba handraisantsika ireo fitahiana nampanantenana ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, dia ny fotopampianarana, fitsipika, ôrdônansy ary fanekempihavanana tsy maintsy inoantsika sy arahintsika. “Tsy misy anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra hahafahana mamonjy ny olona afa-tsy ny anaran’i Jesoa Kristy” (2 Nefia 25:20). I Jesoa Kristy Tompo tokoa no “làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alala[ny]” (Jaona 14:6; nampiana fanamafisana).
Ireo anarana fiantsoana ilay Drafitra ao amin’ny Bokin’ i Môrmôna
Mianatra fahamarinana manan-danja isika amin’ny alalan’ny fitadiavana sy fandalinana ireo anarana fiantsoana maro samihafa ny drafitry ny Ray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, diniho ireto santionana anarana nosafidina manaraka ireto:
-
“Ny drafitra feno famindram-pon’ilay Mpahary lehibe” (2 Nefia 9:6).
-
“Ny drafitry ny Andriamanitsika” (2 Nefia 9:13).
-
“Ny drafitry ny famonjena” (Jarôma 1:2; Almà 24:14).
-
“Ny drafitry ny fanavotana” (Almà 12:25, 26, 30, 32, 33; 42:11, 13).
-
“Ny drafitry ny famerenana amin’ny laoniny” (Almà 41:2).
-
“Ny drafitry ny fahasambarana” (Almà 42:16).
-
“Ny drafitra lehiben’ny famindram-po” (Almà 42:31).
Ny tsirairay avy amin’ireo anarana fiantsoana ireo dia manampy antsika hahatakatra mazava kokoa ireo fampanantenana sarobidy fonosin’ny drafitry ny Ray ary mampivelatra ny fomba fijerintsika mikasika ny tanjona sy dikan’ny fiainantsika eto an-tany.
Hita miharihary fa ny anarana fiantsoana ny drafitr’ Andriamanitra fampiasa matetika indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (“ny drafitry ny fanavotana”) dia mifantoka amin’ny fanavotana amin’ny fahotana sy fahafatesana izay azo tanterahina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Almà 12:25; 33:22).
Efa voaomana ny lalana
Tokony ho vontom-pankasitrahana ny fontsika rehefa mandinika ny drafitra lehiben’ Andriamanitra. Ny fahalalana ny drafiny dia manolotra fomba fijery sarobidy, mampitombo ny fifaliantsika, ary manome hery antsika mba handresena ireo olana sy fahoriana.
Maniry ny hiverenantsika any Aminy ny Ray any An-danitra. Manasa Izy ary mampanantena fitahiana, saingy tsy hanohintohina ny fampiasantsika ilay fahafahana manao safidy ara-pitondrantena izay nomeny antsika. Tsy maintsy mandray andraikitra isika ka misafidy ny hiverina any Aminy amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Zanany Malalany.
“Efa voaomana ny lalana, ary raha mijery isika dia mety ho velona mandrakizay” (Almà 37:46; nampiana fanamafisana).
Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa ny Ray any An-danitra no namorona ilay drafitra masina ho an’ireo zanany. Mpanavotra sy Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Ary amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôliny ahy, dia mijoro ho vavolombelona aho fa Izy tokoa “no lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6; nampiana fanamafisana).