Ho zatovo mahery!
“Ahoana no ahafahako mizara amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny -voan’ny filazantsara- amin’ny hafa, mba hahitan’izy ireo ny maha-zava-dehibe izany amiko?”
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Fanontaniana sy valiny

“Ahoana no ahafahako mizara amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny -voan’ny filazantsara- amin’ny hafa, mba hahitan’izy ireo ny maha-zava-dehibe izany amiko?”

zatovolahy

“Ataovy izay iainana ny filazantsara amin’ny fomba izay tsy isalasalana fa miavaka ianao. Raha hitan’ny olona fa miezaka ny miaina araka ireo zavatra inoanao ianao dia ho lasa liana izy ireo. Izay no fotoana tsara indrindra izarana ny tenivavolombelona anananao, ny fitiavanao an’i Kristy, ary ny maha sambatra anao noho ny filazantsara.”

Miguel A., 17, Asturias, Espaina

zatovovavy

“Iray amin’ireo voan’ny filazantsara ny fifaliana. Zarao amin’ny alalan’ny tsiky fotsiny sy ny fanompoana ny hafa tahaka izay ho nataon’i Jesoa ny fifaliana hitanao ao amin’i Kristy. Rehefa manontany anao momba ny herinandronao ny olona dia zarao ny zavatra niainanao tany am-piangonana mba hanampiana azy ireo hahita ny maha zava-dehibe an’i Jesoa Kristy aminao.”

Eliza S., 16, Wicklow, Irlande

zatovolahy

“Afaka manasa olona hankany am-piangonana ianao mba hahafahan’izy ireo mahita zavatra tsara ho azy ireo!”

Cal L., 11, Texas, Etazonia

zatovovavy

“Izaho dia mandray fitahiana be dia be amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, izay mameno hafaliana ny fiainako. Mampionona ahy sy manome fahatokian-tena ho ahy mba hizara izany fifaliana izany ny fanatrehan’ ny Ray any An-danitra. Azo atonka fa ny fizarako ireo fanomezam-pahasoavana ananako sy ireo fitahiana azoko amin’ny hafa dia hampiseho amin’izy ireo ny maha zava-dehibe ny filazantsara amiko.”

Mariata M., 16, Tuamasaga, Samoa

zatovovavy

“Ny fiainana ny filazantsara ao an-tokantrano sy imasom-bahoaka no dingana voalohany mahomby amin’ny fizarana azy! Mety tsy te hihaino ny zavatra lazainao ny olona saingy mahita ny zavatra ataonao kosa ary iny no fijoroana ho vavolombelona mahery vaika.”

Esteicy M., 19, Paraíba, Brezila

zatovovavy

“Afaka mizara tsara ny -voan’-ny filazantsara amin’ny hafa aho amin’ny alalan’ny ohatra tsara tsara asehoko azy ireo sy ny fanasako azy ireo hanatrika fiaraha-mientana.”

McLayne B., 15, Kalifornia, Etazonia