Ho zatovo mahery!
Nahoana ny soratra masina no miresaka momba ny Fahariana ny tany?
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Valiny fohy sy mivantana

Nahoana ny soratra masina no miresaka momba ny Fahariana ny tany?

zatovovavy

The Creation [Ny Fahariana], nataon’i Annie Henrie Nader

Miresaka momba ny Fahariana ny soratra masina mba hampianarana antsika ny tanjona ao ambadik’izany fa tsy ireo dingana nila narahina tao anatin’izany.

Rehefa nanontanian’i Mosesy ny Tompo mba “[hilaza aminy] momba ny ity tany ity… ary koa ireo lanitra,” dia hoy ny Tompo: “Indro izao no asako sy ny voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:36, 39).

Rehefa nampianatra an’i Abrahama momba ny Fahariana ny Tompo dia nasehony azy ny Filankevitra tany An-danitra, izay nahitana ireo zanaka fanahin’ Andriamanitra nivory. Hitany ilay Jesoa Kristy talohan’ny fiainana an-tany nanazava toy izao:

“Hidina isika fa misy toerana eny, ary haka amin’ireto akora ireto isika dia hanao tany iray izay hahazoan’ireto mitoetra;

“Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo;

“… Ary ireo izay mitana ny toetrany faharoa dia hanana voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay” (Abrahama 3:24–26).

Ireo zava-boary makadiry sy be voninahitra noharian’ Andriamanitra, anisan’izany ity tany ity, dia tafiditra ao anatin’ny drafiny mba hanampiana antsika, zanany, handray famonjena sy fisandratana.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Fahariana”, Lohahevitra sy fanontaniana , Médiathèque de l’Évangile.