Taona vaovao
Tonga ny volana janoary! Vaovao ny taona. Fotoanan’ny fanombohana vaovao.
Mety hametraka tanjona ho an’ity taona vaovao ity ianao. Ny olona sasany dia misafidy teny iray mba hanehoana ny fikasan’izy ireo amin’ilay taona hodiavina. Amin’ity taona ity, ny zatovo manerana izao tontolo izao dia hifantoka amin’ity andinin-tsoratra ity ihany: Mosesy 6:34, “Miaraha mandeha Amiko.” Fanasana natolotra ny mpaminany Enoka izany.
Rehefa nandeha teo amin’ny tany i Enoka dia nitoetra teo aminy ny Fanahin’ Andriamanitra. Niresaka taminy ny Tompo avy eo. Nampianariny momba ny drafitry ny fahasambarana izy, izay hampisy tanjona sy lanja ny fiainana. Rehefa avy namaritra ny drafiny ny Tompo dia nanolotra fanasana an’i Enoka Izy izay manao hoe: “Miaraha mandeha Amiko.”
Ao anatin’ny fandiavanao ity taona vaovao ity dia mety hahita ny tenanao hitady fahasambarana sy tanjona ary fananana lanja ianao. Afaka mianatra avy amin’ny tantaran’i Enoka ianao ary manasa ny Tompo mba ho anisan’ny mandrafitra ny dianao amin’ity taona ity.
Afaka misafidy ny hiara-handeha Aminy ianao. Raha manao izany ianao dia hisy fitahiana miandry anao.
Ho taona tsara izany.
Amim-pitiavana,
Emily Belle Freeman
Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany