Kilasy vaovao, Fahafahana vaovao atolotra mba hivoarana
Hifindra ao amin’ny kilasy iray vaovao na kôlejy iray vaovao ve? Ireto misy zavatra vitsivitsy fotsiny izay miandry!
Sary nataon’i Cinta Fosch
Ny fiantombohan’ny taona vaovao dia matetika mitondra fiovana lehibe, ka tafiditra ao anatin’izany ny mety hifindrana any amin’ny kilasy iray vaovao na kôlejy iray vaovao ao am-piangonana! Ireto misy zavatra anankitelo izay miandry, na handao ny Kilonga ianao, na hiditra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na kôlejin’ny loholona, na hifindra fotsiny ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy manaraka na ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna manaraka.
1. Olona vaovao
Mety hampatahotra ny ho ao amin’ny kilasy iray miaraka amin’ny olona efa lehibe kokoa noho ianao, kanefa manana zavatra iraisana bebe kokoa noho izay mety ho eritreretinao ianareo. Mpianatr’i Jesoa Kristy avokoa ianareo izay miezaka manaraka Azy. Ny fifindrana kilasy dia fahafahana iray handrenesana hevi-baovao avy amin’ny olona izay manana traikefa hafa noho ny anao ary fahafahana azo araraotina mba hahazoana namana vaovao.
2. Fiaraha-mientana vaovao
Mahafinaritra ny fandaharan’asan’ny Zatovolahy sy ny Zatovovavy! Mety hanana fomba vaovao hifandraisana amin’ny zatovo hafa ianao, tafiditra ao anatin’izany ireo fiaraha-mientana ao amin’ny kilasy sy kôlejy ary ireo lasy. Raha vao feno 14 taona ianao dia afaka manatrika koa ny fihaonambe HZM, ny fiarahana mandihy, ary ny seminera koa.
Amin’ny maha-tanora tokan-tena anao dia afaka manatrika institiota sy fiaraha-mientana izay karakarain’ny Fikambanana Ifanampiana, na ny kôlejin’ny loholona, na ny paroasin’ny tanora tokan-tena na ny toeram-pivondronan’ny tanora tokan-tena ianao.
3. Tombontsoa vaovao
Rehefa mihalehibe ianao dia hanana fahafahana bebe kokoa hanompo ao amin’ny Fiangonana, toy ny fanatanterahana ny batisa ho an’ny maty, ny fanamasinana ny fanasan’ny Tompo, na ny fanatanterahana antso iray (tafiditra ao anatin’izany ny fananana andraikitra mba hanatanteraka fanompoana). Araraoty ireo fahafahana atolotra mba hivoarana ara-panahy ireo ary ankafizo ny fomba hanamafisan’izany ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ireo olona tompoinao.
Rehefa mifindra any amin’ny kilasy iray vaovao ianao, dia tsarovy fa “iray ihany hianareo rehetra ao amin’i Kristy [Jesoa]” (Galatiana 3:28). Rehefa ampifantohanao manodidina Azy ny zavatra iainanao ao amin’ny Fiangonana dia hanampy anao hahita fifaliana Izy na aiza na aiza misy anao.