Ho zatovo mahery!
Araho Aho: Hiran’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2026
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2026

Araho Aho

Hira ho an’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2026

zatovovavy

Ahitana zatovo avy amin’ny firenena samihafa any Afrique ao anatin’ny horonan-tsarin’ny hira ho an’ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2026.

Raha mandia afo ianao

ka ho may ny tongotrao,

dia misy loharano ao

hampitony ny fonao.

Araho ny dian’ny Mpamonjy,

f’Izy hitari-dia anao.

Izy anie ka miantso anao.

Hoy Izy,

[Fiverenan-kira:]

Araho Aho,

fa hampitony ny onjanao Aho.

Araho Aho;

ho ravako koa ny havoana.

Ô, ’nty raiso Aho

raha mavesatra ity fonao.

araho Aho,

dia hiaraka aminao.

Nitety tany foana Izy

hitady ilay iray.

Nampianatra ireo ory Izy,

naneho koa ny fitia.

Andao hanara-dia Azy

homeny hery vao.

Izy anie ka miantso anao.

[Fiverenan-kira:]

Araho Aho,

fa hampitony ny onjanao Aho.

Araho Aho;

ho ravako koa ny havoana.

Ô, ’nty raiso Aho

raha mavesatra ity fonao.

Araho Aho,

dia hiaraka aminao.

Mandehana miaraka amin’ny Mpamonjy

Mandalo fotoan-tsarotra ve ianao? Moa ve ianao manomboka zavatra vaovao, na mampientanentana, na mety ho mampatahotra kely?

Tsy mila miatrika izany irery velively ianao.

Na inona na inona zavatra atrehanao dia hiaraka aminao hamakivaky izany i Jesoa Kristy Mpamonjy anao.

Manasa anao Izy mba hiara-handeha Aminy.