Ho zatovo mahery!
Miaraha mandeha Amiko
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2026

Miaraha mandeha Amiko

Ny teny filamatry ny Zatovo ho an’ny taona 2026 dia hanampy hampahatsiahy anao fa rehefa mijanona ho akaiky an’ Andriamanitra ianao dia hiara-mandeha aminao , mandrakariva, Izy.

Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany

Ankavia miankavanana: Tamara W. Runia, Mpanolotsaina Voalohany; Emily Belle Freeman, Filoha; sy Andrea Muñoz Spannaus, Mpanolotsaina Faharoa.

Tsy irery ianao

Efa nasaina nanao zavatra izay tsy noheverinao fa ho vitanao ve ianao? Mety tsy nahatsapa ho matanjaka na ampy fahaizana ianao, na niahiahy fa hihomehezan’ny hafa sy hotsikerainy. Raha efa nahatsapa toy izany ianao, dia tsy irery ianao.

Arivo taona maro lasa izay dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Enoka. Nangatahan’ Andriamanitra i Enoka mba hitory fibebahana tamin’ny olona; anisan’ireo olona farak’izay mamohehitra indrindra nisy teto an-tany.

Nihevitra i Enoka fa tsy ho vitany izany. Nolazainy an’ Andriamanitra fa kely loatra izy, tsy dia nanana namana firy, ary tsy manam-pahaizana firy (jereo ny Mosesy 6:31).

Saingy nanome fampanantenana an’i Enoka Andriamanitra. Hoy Izy mantsy ilay lehilahy raiki-tahotra: “Mandehana ary ataovy izay nandidiako anao” ary “ny tendrombohitra dia handositra eo anoloanao, ary ny renirano dia hivily amin’ny lalany; ary hitoetra ato Amiko ianao ary Izaho ao aminao; koa miaraha mandeha Amiko” (Mosesy 6:32, 34).

“Miaraha mandeha Amiko” Tena fanasana tsotra sy kanto izany.

Nampanantena an’i Enoka Andriamanitra fa raha manana risi-po ampy hanombohana izy dia hiaraka aminy hatrany amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany Izy. Hataon’ Andriamanitra mahery i Enoka ary hampahatanjahany izy mba hahavita be ary hampiany izy mba ho lasa lehibe mihoatra noho izay takatry ny sainy.

Iray amin’ireo anarana maro iantsoana ny Mpamonjy ny hoe Imanoela, na “Amintsika Andriamanitra” (Matio 1:23). Voarakitra ao amin’ny anaran’ny Tompo sady toetrany ny manohana sy mitarika antsika. Antsika ny safidy—handeha hiaraka Aminy koa ve isika?

Ankehitriny dia lehilahy be finoana sy mpaminany sy mpitarika lehibe no ahitantsika an’i Enoka. Talohan’ny naha mpaminany an’i Enoka dia nisy Enoka mbola kely izay tsy nino ny tenany saingy mbola nisafidy ny niaraka nandeha tamin’ Andriamanitra.

Rehefa sarotra ny fiainana, rehefa tsapanao fa ho toa ny tsy ampy fahaizana ianao dia tsarovy ny fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Enoka sy anao. Hiaraka handeha aminao Izy. Tsy havelany ho irery ianao, na dia indray mandeha monja aza.

Imanoela. Amintsika Andriamanitra. Aminao Andriamanitra!

Ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany

Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany

Ankavia miankavanana: David J. Wunderli, Mpanolotsaina Voalohany; Timothy L. Farnes, Filoha; sy Sean R. Dixon, Mpanolotsaina Faharoa

Miaraka amin’ny fanampiany, ianao dia afaka manao ny zava-drehetra

Toa anareo zatovolahy, ny Tompo dia nangataka an’i Enoka mba hanatanteraka andraikitra manan-danja ao amin’ny fisoronana. Nitory fibebahana tamin’ny olona mamohehitra no anjara andraikiny. Naneho ny ahiahiny i Enoka. “Mbola zatovolahy [aho]”, hoy izy. “Mankahala ahy ny vahoaka rehetra … miadam-piteny aho; koa nahoana aho no mpanomponao?” (Mosesy 6:31).

Namaly tamin-kery sy fanomezan-toky ny Tompo. “Mandehana ary ataovy izay efa nandidiako anao. … Sokafy ny vavanao dia hofenoina izany … . Mby aminao ny Fanahiko … ; ny tendrombohitra dia handositra eo anoloanao … ; koa miaraha mandeha Amiko” (Mosesy 6:32, 34).

Nianatra i Enoka fa rehefa manome andraikitra antsika ny Tompo dia tsy miatrika izany irery isika. Rehefa manao fanekempihavanana amin’i Kristy sy mitandrina izany isika dia miaraka mandeha Aminy sy manana ny heriny; lasa fitaovana eo an-tanany isika.

Toa an’i Enoka, ianao koa dia manana anjara asa manan-danja: manompo, manompo ao amin’ny tempoly, mizara fanasan’ny Tompo, mandalina ny soratra masina, miaina ireo fitsipiky ny filazantsara, mibebaka, miomana hanao asa fitoriana ny filazantsara, sy ny maro hafa. Mety hahatsapana tena ho tototra izany. Mety hahatsapa tena ho tsy ampy fahaizana ianao. Tsy maninona izany. Tsy resaka fanaovana izany samirery ilay izy. Momba ny fisadianana ny hiaraka handeha amin’ Andriamanitra anio, dia izao anio izao sy isan’andro, ilay izy.

Miaraka amin’ny fanampiany, ianao dia afaka manao ny zava-drehetra. Hampahatanjaka sy hamela heloka anao ary hanome hery anao mihoatra noho ny vitanao amin’ny maha olombelona anao Izy. Tiany ianao! Izahay ato amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany dia tia anao sy miandradra ny hiarahanay mamantatra aminao ilay teny filamatra manentana fanahy ho an’ny 2026 izay manao hoe: “Miaraha mandeha Amiko.”

Ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany