Fomba telo handavana an’i Satana sy hisafidianana an’i Jesoa Kristy
Ny fahatakarana ny zava-nitranga tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana dia afaka manampy anao hanao safidy tsara amin’izao fotoana izao.
Sary nataon’i Dean MacAdam
Rehefa nanolotra ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika sy ny fivoarantsika mandrakizay ny Ray any An-danitra dia nampanantena Izy fa handefa Mpamonjy mba hanampy antsika. Rehefa nanontany ny Ray hoe: “Iza no hirahako?” (Abrahama 3:27), dia hoy i Jesoa Kristy, “[Ilay Zanaka malalan’ny Ray] sy nofinidi[ny] hatrany am-piandohana” (Mosesy 4:2), hoe: “Inty aho, iraho aho” (Abrahama 3:27). Tsy nangataka na inona na inona Izy, fa te hanao ny sitrapon’ny Raintsika fotsiny (jereo ny Mosesy 4:2).
Tonga i Losifera avy eo. Hoy koa izy hoe: “iraho aho” (jereo ny Mosesy 4:1). Saingy i Losifera dia tia tena ary tsy vonona ny hanao sorona ho antsika. Tiany ho azy ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny heriny ary ny voninahiny (jereo ny Mosesy 4:1). Naniry ny handrava ny fahafahantsika misafidy i Losifera. Tsy nazava ny fomba nieritreretany hanaovana izany. Fantatsika anefa fa raha tsy misy ny fahafahana misafidy dia tsy ho afaka ny hivoatra velively isika sy tsy ho afaka velively ny ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra. Noho izany, raha ny marina, dia nikomy tamin’ny Ray any An-danitra i Losifera ary nandà ny drafiny.
Niteraka ady tany an-danitra ny fikomian’i Satana, ka “nazera [t]ety ambany” avy tany izy ary “tonga Satana” (Mosesy 4:3–4). Nanaraka azy ny ampahatelon’ny miaramilan’ny lanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:36). Saingy nampihatra ny fahafahantsika misafidy isika ary nanaraka an’i Jesoa Kristy.
Mbola mitohy ankehitriny ny ady izay nanomboka tany an-danitra. Mikatsaka hatrany ny hanohitra antsika i Satana sy ireo mpanara-dia azy. Ireto misy fomba telo hamantarana ny paikadin’i Satana sy ny tetikadiny, hisorohana ny fandriny, ary hisafidianana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainantsika.
1. Aza avela handresy ny lolompo
Taona maro lasa izay dia niezaka nandresy lahatra ireo namako tany an-tsekoly aho mba tsy hanao ny enti-modin’izy ireo satria tsy nahavita ny ahy aho. Diso aho, saingy nieritreritra aho fa raha toa ka tratran’ny olana izahay rehetra dia hahazo aina kokoa aho. Ny fitondrantena ratsy nasehoko dia mampahatsiahy ahy ny fihetsika nataon’i Satana teo anatrehantsika. Noho izy fadiranovana dia tiany hosimbaina ilay fahafahana manatratra ny fiainana mandrakizay izay ananantsika.
Tena novain’ny lolompo nananany i Satana, ka na dia fantany aza fa tsy hahomby izy amin’ny farany, dia miezaka mafy “[manaparitaka] ny asan’ny haizina” (Helamàna 6:28) izy mba hanimbana ny maro amintsika araka izay tratrany.
Tsy ny lolompon’i Satana no ilay drafitra nosafidintsika. Afaka mampiasa ny fahafahantsika misafidy isika mba hanohizana ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy hanohizana ny fandavana ny fitaoman’i Satana izay mifono lolompo, sy mirefarefa amin’ny tany ary mametra ilay fahafahan’ny tena mahavita zavatra. Nanolotra ny ainy ny Mpamonjy mba hahafahantsika ho tonga amin’ilay fantany fa ho azontsika hahatongavana sy hanandrana ny hatsaran’ny fiainana mandrakizay.
2. Aza manaiky ho resin’ny tahotra
Indraindray aho manontany tena hoe nahoana ny ampahatelon’ireo fanahy zanak’ Andriamanitra no nisafidy ny handà ny drafiny. Fantatr’i Satana fa ny tahotra sy ny ahiahy dia samy fomba mahomby hampihenana ny finoana. Mety haka fanahy antsika Izy mba hiahiahy ny amin’ny hasarobidintsika na handresy lahatra antsika fa tsy tena ho lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika. Na mety hiezaka hanao izay hahatonga antsika ho resin’ny tahotra eo anatrehan’ny fibebahana sy ny fanarahana ny drafitr’ Andriamanitra izy.
Rehefa miatrika fitsapana sy fahasarotana isika dia afaka misafidy ny hatoky ny drafitr’ Andriamanitra sy hatoky an’i Jesoa Kristy. Nizaka ny zava-drehetra Izy mba hahafahany ho tonga hery ho antsika rehefa miatrika tahotra isika, ary afaka mandresy izany isika amin’ny farany amin’ny alalany.
3. Raiso izay rehetra atolotry ny Mpamonjy anao
Ny tanjon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia ny hanao izay haha-olom-banona antsika sy hanome hery antsika. Misy olona hafa ve milaza fa te hanampy antsika ho tonga amin’ilay tsara indrindra azontsika ahatongavana sy hanome antsika tanteraka ny zavatra rehetra ananany izy ireo? Afaka ny ho antsika ny zavatra rehetra ananan’ny Ray! Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no hanolorana izany antsika.
Rehefa mieritreritra ilay hery tsy misy fitiavan-tena sy ilay hery manavotra ananan’ilay Mpanavotra aho dia te hanaraka Azy. I Jesoa Kristy no mpanohana tonga lafatra an’ilay drafitra tonga lafatra. Rehefa misafidy Azy isika dia hanampy antsika handresy ny fahavalo Izy, sy hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra, ary hanatratra ilay anjarantsika araka an’ Andriamanitra.