Ho zatovo mahery!
Nianatra taorian’ny nahafatesan’ny renibeko
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Feon’ny zatovo

Nianatra taorian’ny nahafatesan’ny renibeko

zatovovavy iray eo anoloan’ny tempoly

Sary nataon’i Katelyn Budge

Zava-tsarotra ho ahy ny famoizana ny renibeko. Tena nifanakaiky izahay. Tena nalahelo aho. Tsapako ho toy ny nanjavona ilay fanantenana nilaiko.

Talohan’ny nahafatesany dia tsy tena natanjaka tao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho. Niantehitra tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ny hafa aho. Saingy tao anatin’io herinandro voalohany niainana alahelo io dia nandeha nanatrika kilasy iray mampianatra momba ny finoana aho izay nampianaran’ny mpampianatra iray momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny famonjen’ny Ray. Tsapako fa ho afaka ny hahita ny renibeko indray aho. Afaka ny ho tafaray indray izahay any amin’ny fiainana ho avy amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly.

Nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona nananako izany. Nanomboka nifantoka bebe kokoa tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ahy aho ary nianatra bebe kokoa momba ny filazantsarany. Amin’izao fotoana izao aho dia mikatsaka valim-panontaniana amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny Avia, hanaraka Ahy. Tiako ny mihaino ireo lahatenin’ny fihaonambe, indrindra fa ny an’ny mpaminany, dia ny Filoha Russell M. Nelson. Rehefa mihaino lahateny aho, miantehitra amin’ny soratra masina, mivavaka sy misaintsaina ary mangataka ny Fanahy Masina dia afaka ny ho matanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Ny seminera koa dia nanampy ahy hianatra momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy hiezaka ny ho tahaka Azy, rehefa nanao asa tamim-pinoana aho, nijery zavatra avy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary nikatsaka fahalalana bebe kokoa tamin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidina.

Matokia ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy. Aza miantehitra amin’ny fahalalanao manokana fotsiny fa miantehera amin’ny Azy ireo. Afaka manampy antsika sy mitarika antsika ao anatin’ny fitsapana na fahoriana izay mety hatrehintsika izy ireo.

zatovovavy

Suzanne Q., 17 taona, Faritra Afovoan’i Fidji

Tia manao sary, manao asa tanana, manao sary hosodoko, mamoron-javatra, mianatra momba ny tantara, ary milalao basket izy.