Ho zatovo mahery!
Mampifandray
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Mampifandray

Anavai H.

17, Tahiti, Polynezia Frantsay

zatovovavy

Sary nalain’i Stéphane Sayeb

Nisaraka ireo ray aman-dreniko ary tranga nampalahelo be ahy izay nampijaly ny foko izany. Sarotra be tamiko ilay izy satria tsy tiako hisaraka ry zareo kanefa nahita ny fampiononana nilaiko aho tao amin’i Kristy. Izany no tena nanome hery ara-panahy ho ahy.

Nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny aho dia nahita hery tao amin’ny tenin’i Kristy. Nanampy ahy hitoetra ho mifantoka amin’ireo fampianarany ireo lesona noraisiko avy amin’ireo ray aman-dreniko. Ny filazantsara dia asa manda fiarovana hanovozako hery, dia hery ilaina mba hifikirana amin’ny finoako na dia eo aza ny olana ara-pianakaviana.

Ankehitriny aho dia mbola mahita fifaliana amin’ny alalan’ny filazantsara amin’ny alalan’ny zavatra niainana tany amin’ny tempoly. Vao mainka aho te hianatra misimisy kokoa momba an’i Kristy. Te hahafantatra tsara kokoa Azy aho ary, ambonin’ny zava-drehetra, dia te hanaraka ny ohatra napetrany aho. Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa mitarika ny diantsika i Kristy ary hanampy antsika hitoetra ho mifototra ao Aminy na dia eo aza ireo fitsapana.