Ho zatovo mahery!
Ataovy izay tsara indrindra vitanao miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Ataovy izay tsara indrindra vitanao miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy

zatovolahy mitsoka saxophone

Ssss! Tsy vitako araka ny tokony ho izy tsotra izao ity! Ahoana no fomba hilalaovako ny feon-kiran’izany amin’ny zavamaneno tokana mandritra ny fampisehoana an-tsehatra hataon’ny tarika amin’ny herinandro ambony?

ankizilahy sy eveka any am-piangonana

Miandrandra ny lahateny hozarainao mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo amin’ny herin’ny alahady aho. Manao ahoana ny fandrosoan’izany?

Mandeha tsara ka!

ankizilahy mandeha sy mieritreritra

Hilalao feon-kira amin’ny zavamaneno tokana sy hanao lahateny? Ahoana no fomba hanaovako azy roa ireo?

ankizilahy any am-piangonana

Tonga soa ato amin’ny kôlejin’ny mpampianatra!

ankizilahy any am-piangonana

Efa nisy taminareo ve nangatahina hanao zavatra vaovao na zavatra iray izay nahatonga anareo hitebiteby?

Ie!

ankizilahy any am-piangonana sy ankizilahy mivavaka eo anilan’ny fandriana

Raha manao izay tsara indrindra vitanao ianao, ary manasa ny Mpamonjy mba hanampy, dia afaka manao ireo zavatra rehetra asaina ataonao ianao.

Mba ampio hanao izay tsara indrindra vitako aho ry Ray any An-danitra.

ankizilahy milalao saxophone, manao enti-mody, ary mivavaka

Ny ampitson’izany.

ankizivavy sy ankizilahy ao anatin’ny rindran-kiran-javamaneno tokana

Tany amin’ny faramparan’izany herinandro izany

Vonona ve ianao?

Eny!

ankizilahy mitsoka saxophone mandritra ny rindran-kiran-javamaneno tokana
ankizilahy manao lahateny ao am-piangonana
ankizilahy miaraka amin’ny eveka

Misaotra betsaka tamin’ny lahateninao Tena tsara ilay izy!

Misaotra! Nanao izay tsara indrindra vitako aho! Ary nanampy ahy ny Mpamonjy.