Ilay sarintaninao hiverenana hody
Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny drafitry ny famonjena?
Sary nataon’i Mackenzie Alexander
Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny mpaminany Jarôma dia nanomboka ny rakitsorany tamin’ny alalan’ny fitenenana hoe: “Fa inona moa no mbola azoko soratana mihoatra noho izay efa nosoratan’ny razako? Fa moa tsy efa nanambara ny drafitry ny famonjena va izy ireo?” (Jarôma 1:2)
Raha nieritreritra izy fa izay ihany no nilaintsika dia tsy maintsy ho manan-danja ihany izany ny drafitry ny famonjena!
Ary izany no izy! Izany no sarintany tonga lafatra ho an’ny fiainantsika. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson inday mandeha hoe: “Ny fahatakarana ilay drafitr’ Andriamanitra izay mahatalanjona dia manaisotra ny zava-miafina eo amin’ny fiainana sy ny tsy fahazoana antoka ny amin’ny hoavintsika.”
Ahoana ary no ahafahan’izany sarintany izany manampy anao hamakivaky ireo zavatra mampiahiahy eo amin’ny fiainana?
Avy aiza aho?
Rainao any An-danitra Andriamanitra. Niaina niaraka taminy ianao talohan’ny nahaterahanao. Tiany ianao!
Nanazava ny Loholona Alan T. Phillips avy ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Tsy vokatry ny kisendrasendran’ny natiora ianao, na singan’olona, na vokatry ny fivoaran-javatra. Matoa misy ny zavaboary dia misy ny mpamorona.”
Rehefa mihasarotra ny fiainana dia mankahery ny mahafantatra fa tonga eto ianao noho ny tanjona iray ary ambenan’ny Ray any An-danitra be fitiavana.
Handeha ho aiza aho?
Tsy tonga eto ianao mba hirenireny tsy misy tanjona, fa manana toerana haleha ianao! Tian’ny Ray any An-danitra hody any Aminy ianao ary ho tonga tahaka Azy. Nanomana ny drafitry ny famonjena Izy mba hahafahanao mahazo ireo fitahiana rehetra ao amin’ny fanjakany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).
Hanampy anao mandritra ny fiainana ny fahafantarana ny drafitry ny Ray any An-danitra. Rehefa “mijery mihoatra lavitra ny toe-javatra iainana ankehitriny” ianao ary misaina amin’ny fomba selestialy, dia safidy maro no lasa mora kokoa ny manao azy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana safidy hanaraka an’i Jesoa Kristy.
Ahoana no fomba ahatongavako any?
Ankoatra ny fanomezana antsika toerana haleha, ny drafitry ny famonjena dia mampiseho koa ny lalana ahatongavana any.
Jesoa Kristy dia ohatra tonga lafatra eo amin’ny fanarahana ny lalana mitondra mody. Raha mitodika Any Aminy ianao, ary miara-mandeha Aminy, dia hanampy anao hiverina any amin’ny Ray any An-danitra Izy ary ho tonga tahaka Azy kokoa. Nanazava ny Loholona Sergio R. Vargas avy ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Any anatintsika tsirairay avy any dia misy faniriana ny hiverina any amin’ny fonenantsika any an-danitra, ary i Jesoa Kristy no rafitra mitari-dalana antsika avy any an-danitra. Izy no lalana.”
Ahoana raha very aho?
Mety hivily any amin’ny fiolanana tsy izy ianao na dia miaraka amin’ny sarintany iray aza. Mbola hanao fahadisoana ianao. Saingy aza manahy! Nanome Mpanavotra ny Ray any An-danitra mba hahafahanao mibebaka mandrakariva, sy miverina any Aminy, ary ho tonga tahaka Azy kokoa. Tsarovy fa, “tsy ilaozan’ny fanaovantsika hadisoana ny fijanonantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro.”
Rehefa mandalina ny drafitry ny famonjena ianao dia tsarovy fa narafitra tamim-pitiavana izany. Tian’ny Ray any An-danitra hody ianao. Ary raha manaraka ny sarintaniny ianao dia hanampy anao ho tonga any Izy.