Feon’ny zatovo
Miakanakam-piteny rehefa manao ny vavaky ny Fanasan’ny Tompo
Sary nataon’i Katelyn Budge
Manana olana ara-pitenenana aho izay mahatonga ahy hiakanakam-piteny ao anatin’ny toe-javatra maro samihafa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamasinana ny fanasan’ny Tompo. Olana lehibe izany tamin’ny voalohany. Nieritreritra mihitsy ny tsy hanamasina ny fanasan’ny Tompo intsony aza aho.
Saingy nanomboka nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra aho. Nivavaka tsy tapaka Taminy aho, nangataka ny fanampiany. Mijoro ho vavolombelona aho fa mihaino ny vavaka ataontsika Izy. Fotoana kely taorian’izay dia nanomboka nihena ny fiakanakanako.
Indraindray aho mbola miakanakam-piteny, saingy nanampy ahy handresy izany olana izany ny Mpamonjy. Tamin’ny alalan’ny fijaliany tao amin’ny Saha Getsemane dia takany ny zavatra tsapako ao anatin’izany toe-javatra izany.
Miatrika izany olana izany koa aho any an-tsekoly. Sarotra izany tany am-boalohany satria nihomehy ahy ny olona. Saingy nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainako aho. Nampahery ahy sy nanampy ahy Izy.
Daniel S., 17 taona, Santa Catarina, Brésil
Izy dia tia milalao basket, manamasina ny fanasan’ny Tompo, ary manao takarivan’ny mpianakavy.