Ho zatovo mahery!
Ny endriky ny lalany
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Ny endriky ny lalany

Mety tsy ho mora foana ny lalan’ny Mpamonjy, saingy hiara-handeha amintsika Izy ary hitarika antsika any amin’izay toerana tiantsika haleha.

olona mandeha an-tongotra eo amin’ny lalana iray

Sary nataon’i Yukai Du

Amin’ny ankapobeny dia misafidy lalana iray isika satria mitondra antsika any amin’ny toerana tiantsika haleha izany. Saingy mifono zavatra bebe kokoa ny lalana iray ankoatra ny hitondran’izany any amin’ny toerana tiana hahatongavana. Eo koa ny endrik’ilay lalana, ilay karazana lalana hodiavintsika.

Manasa antsika hiaraka handeha Aminy i Jesoa Kristy (jereo ny Mosesy 6:34; Mika 6:8; 1 Jaona 2:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23). Ny lalana hanasany antsika mba hodiavina dia ny lalan’ny fanekempihavanana, dia ilay lalana mitondra any amin’ny fiadanana, fifaliana, ary fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra, izay toerana tiantsika hisy antsika.

Saingy manao ahoana izany lalana izany? Karazana tany toy ny ahoana no hodiavintsika rehefa miara-mandeha amin’ny Mpamonjy isika?

mari-pamantaran’ny lalana tery iray

Tery

“Ety ny vavahady ary tery ny làlana izay mitondra mankany amin’ny fiainana” (Matio 7:14).

Na dia misy famerana aza ny lalany dia misy antony izany. Ny fahateren’ny lalana dia manakana anao tsy handeha any amin’ny toerana izay mety handratra na hahavery anao.

zanatsipika

Mahitsy

“Ny lalany dia mahitsy” (Almà 37:12).

Tsy miolikolika ny lalany. Izany no lalana tena mitondra mivantana mankany amin’ilay tanjontsika, dia ny fiainana mandrakizay. Tsy mivilivily izany. Saingy isika no mivilivily indraindray. Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia afaka mibebaka haingana sy miverina eo amin’ny lalany isika.

Mideza ary vatoana indraindray

“Ny lalana [miverina mody any amin’ Andriamanitra] dia mideza ary vatoana indraindray” (Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, “Help Them on Their Way Home,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2010 [Liahona, mey 2010, 25]).

Mety ho tena mafy ny fiakarana ny havoana ary mety tsy ho afaka ny hahita ireo zavatra ivelan’ny tampon’ilay havoana hihanihanao ianao. Saingy mampatanjaka sy mampahery anao ny Mpamonjy rehefa miezaka manao ireo zavatra sarotra asainy ataonao ianao.

Ireo vato eny amin’ny lalanao dia mety tsy hitovy amin’ny an’ny hafa. Anao manokana ireo olana sy toe-javatra iainanao. Saingy ny Mpamonjy no namana mpiara-dia tsara indrindra ary hanampy anao hiatrika ny sakantsakana rehetra Izy.

jiro

Mazava tsara

“Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao” (Salamo 119:105). “[Mandehana] eo amin’ny mazava, … tahaka Azy eo amin’ny mazava” (1 Jaona 1:7).

Rehefa maizina ny lalanao dia afaka manazava ny lalanao ny Mpamonjy, na dia natao ampy ho an’ny fanaovana dingana iray fotsiny aza izany ary avy eo ho an’ny iray hafa, eo amin’ilay dianao hody any amin’ny Rainao any An-danitra.

ampinga

Voaro

“Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho; Fa Hianao no amiko” (Salamo 23:4).

Na dia mampatahotra, na mampisafotofoto saina, na sarotra toy ny inona aza ny lalanao, dia afaka manana fiadanana ianao noho ny fahafantarana fa rehefa mandeha miaraka amin’i Jesoa Kristy ianao dia hiaraka handeha aminao Izy ary hitarika anao soa aman-tsara hiverina any amin’ny Ray any An-danitra.