Tantara avy ao amin’ny Testamenta Taloha
Ny Fahalavoana: I Adama sy i Eva
Mosesy 2–4; Genesisy 2–3
Sary nataon’i Katy Dockrill
Ny tantaran’izy ireo
Ny Saha
Nipetraka tao amin’ny Saha Edena i Adama sy i Eva, izay saha kanto iray ka tsy hiaina fanaintainana, na fahasarotana, na fahafatesana, na fifaliana izy ireo ao. Afaka nisitraka ny fanatrehan’ Andriamanitra koa izy ireo.
Ny fakam-panahy
Nandidy azy ireo ny Ray any An-danitra mba hanan-janaka ary tsy hihinana voankazo avy amin’ny “hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Nalain’i Satana fanahy i Adama sy i Eva mba hihinana ilay voankazo.
Ilay safidy
Nisafidy ny hihinana ilay voankazo i Eva sy i Adama. Voatery tsy maintsy handao ny saha sy ny fanatrehan’ Andriamanitra izy ireo, sy hiatrika zava-tsarotra, ary ho faty amin’ny farany. Saingy ho afaka ihany koa hiaina fifaliana, hitandrina ny didin’ Andriamanitra mba hanan-janaka, ary hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay izy ireo.
Ilay drafitra
Tamin’ny voalohany dia niafina i Adama sy i Eva. Saingy rehefa nianatra momba ny drafitry ny Ray any An-danitra izy ireo dia nahafantatra fa ny safidy nataon’izy ireo dia nanome fahafahana an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra ho tonga ety an-tany. Nianatra izy ireo fa handefa an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba hamonjy azy ireo (sy hamonjy antsika) amin’ny fahotantsika sy ny fahafatesana.
Ny tantaranao
Tahaka an’i Adama sy i Eva dia miaina ao anatin’ny tontolo iray ahitana fahasarotana sy fakam-panahy ianao, ary indraindray ianao dia mety hahatsapa ho toy ny miafina na mety hahatsapa tahotra. Saingy noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka sy miova ianao. Indray andro any ianao dia hitsangana amin’ny maty ary ho afaka ny hiverina hiara-hiaina Aminy.