Ho zatovo mahery!
Mivoatra ny zava-drehetra rehefa matoky an’ Andriamanitra ianao
Ho zatovo mahery! Janoary 2026


Mivoatra ny zava-drehetra rehefa matoky an’ Andriamanitra ianao

Rehefa matoky ny Ray any An-danitra ianao dia afaka ny hiatrika izay rehetra lalovanao.

zatovovavy

Sary nalain’i Giovana Flavia de Almeida Campos

Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany hatramin’ny faha valo taonako aho. Volana vitsy taorian’ny batisako dia niala tsikelikely tamin’ny Fiangonana izaho sy ny fianakaviako.

Taona maro taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanomboka hiverina izahay; nipoaka ny COVID-19 ary nanomboka natao tany an-trano ireo fivoriam-bavaka. Nivily lalana tsikelikely indray aho ka niatrika olana be dia be teny.

Fahasarotana sy fisalasalana

Nandritra io fotoana io dia nanomboka nisalasa ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona nananako ary momba an’i Jesoa Kristy aho. Nisy fotoana aho niahiahy mihitsy ny amin’ny fisiany ka nanomboka nihevitra ny tenako ho tsy mpino an’ Andriamanitra. Mafy sady nangatsiaka toy ny vaingan-dranomandry ny foko.

Tsy nampino fa mafy sy sarotra be io fotoana teo amin’ny fiainako io. Araka ny hevitro ny anton’izany dia satria rehefa mitsahatra ny tsy mino an’i Jesoa Kristy sy ny heriny isika dia tsy misy dikany sy lasa mampalahelo ny fiainantsika.

Nanova ahy ny seminera

Nony farany dia voatariky ny dadako hanomboka hankany am-piangonana indray aho. Nataoko ilay izy na dia mbola nisavorovoro sy nanam-panontaniana maro aza aho.

Nahita petra-drindrindra momba ny seminera tao am-piangonana aho indray andro. Nahaliana ahy ilay izy. Nanatona ny evekako aho nanontany azy momba ilay izy. Nampidiriny avy hatrany tao amin’ny vondron’ny resadresaka momba ny seminera aho ary nolazainy tamiko fa manomboka amin’ny 5 ora sy 30 maraina ny seminera.

Zatovovavy mamaky ny soratra masina mandritra ny seminera
Zatovovavy mamaky soratra masina

Koa dia nanomboka nanatrika seminera aho. Nanampy ahy hanana namana vaovao sy nandray fijoroana ho vavolombelona momba ny Fiangonana sy ny soratra masina izany tamin’ny farany. Nanana mpampianatra izay tena namporisika ny kilasiko sy nanao izay hamoahanay ny tsara indrindra avy aminay aho. Hitako fa tena mamela antsika hahafantatra ny Mpamonjy ny fandalinana soratra masina. Misy fahasamihafana eo amin’ny mihaino ny fijoroana ho vavolombelon’ny olona sy ny mikatsaka ny anao manokana amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny finoana.

zatovovavy

Jasmine miaraka amin’i Victória (ankavia) sy i Carol (ankavanana) namany. Ireo naman’i Jasmine dia manampy azy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Torohevitra 10 mba hahatongavana ho mpianatr’i Kristy

Tamin’ny voalohany dia tamin’ny alalan’ny zavatra notantarain’ny hafa tamiko no nahafantarako momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Saingy tsy afaka miantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa fotsiny isika. Mila mikatsaka ny hahafantatra ny Mpamonjy ho an’ny tenantsika manokana isika.

Zatovovavy mivavaka

Mila manokana fotoana ho an’ny Mpamonjy sy ho an’ireo zavatra masina isika mba hahafahantsika ho lasa iray amin’ireo mpianany. Nianatra aho fa ho lasa mahafantatra Azy ianao rehefa:

  1. Mikatsaka Azy amin’ny nahim-po.

  2. Mamaky soratra masina.

  3. Miezaka hivoatra ara-panahy.

  4. Mivavaka.

  5. Mankany amin’ny tempoly.

  6. Manompo ny hafa.

  7. Mifady hanina.

  8. Manaraka ny ohatra nataony.

  9. Manam-paniriana ny hanao ny tsara.

  10. Mandà ny hiteny zavatra ratsy momba ny hafa na hifosa ny hafa.

Ireo zavatra ireo no nanampy ahy hahafantatra ny Mpamonjy, sy ho lasa iray amin’ireo mpianany. Manan-danja be ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy satria afaka mampiasa ny fahazavany isika mba hanampiana ny hafa. Amin’ny alalan’ny ireo ohatra tsara ataontsika no hahitan’ny hafa ny maha fitahiana lehibe ny filazantsara.

Olona mivoaka ny trano fiangonana

Nitahy ny fiainan’i Jasmine tamin’ny fomba maro ny fankanesana tany am-piangonana sy ny fizarana ny filazantsara.

Hihatsara ny zava-drehetra

Nampalahelo be ny toe-javatra nisy ahy tamin’izaho niverina tato amin’ny Fiangonana; feno ahiahy, tsy nanana namana, tsy nanana fanantenana, tsy nahafantatra hoe iza marina tokoa moa aho na inona no tanjoko.

Ankehitriny dia ny filazantsara no “afo” nanazava ny fiainako sy manampy ahy hanao izay marina sy ho lasa olona tsara kokoa. Raha tsy nisy ny filazantsara dia tsy haiko izay ho niafarako.

Mivoatra ny zava-drehetra eo amin’ny fiainana rehefa matoky an’ Andriamanitra ianao. Manomboka amin’ny fotoana hikatsahanao Azy ianao dia manomboka miala avy ao amin’ireo zava-tsarotra ary hanomboka hivoatra ny zava-drehetra. Mazava ho azy fa mbola hisy fahoriana saingy io fatokiana sy faniriana ny hino io dia hampitraka anao tsikelikely. Mety ho ela izany saingy hihatsara ny zava-drehetra.

Rehefa matoky ny Ray any An-danitra ianao dia afaka ny hiatrika izay rehetra lalovanao, na olana izany, na ahiahy, na olana ara-pahasalamana, na fanirery. Ohatra, mety hahazo naoty tsara ianao amin’ny fitsapam-pahaizana iray, na hivoatra ny fahasalamanao, na handray valim-panontaniana, izay indraindray valiny efa notadiavinao hatramin’ny faha 10 taonanao toy ny ahy, raha mikatsaka Azy sy matoky Azy.

Azoko antoka ireo zavatra ireo. Noho ny filazantsara dia afaka milaza aho hoe niova aho. Raha ny marina dia niova ny zava-drehetra, dia ny foko, ny eritreritro, ny fitondrantenako ary ireo fitsipika narahiko. Fantatro ny fahamarinana, ary manova zavatra be izany. Nivoatra ny zava-drehetra noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mipetraka any São Paulo, Brezila ny mpanoratra.