Ho zatovo mahery!
Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fianakaviana
Ho zatovo mahery!, martsa 2026


Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fianakaviana

Mitahy ny fianakaviana rehetra eto an-tany ireo fampianarana sy ôrdônansy ary fanekempihavanan’ny tempoly.

I Jakoba manonofy ny tohatra mankany any an-danitra

Sary nataon’i Shawna Tenney

Vao haingana izaho sy Rahavavy Uchtdorf no nanatrika ny batisan’ny iray amin’ireo zafiafinay. Rehefa nijery ny taranaka maro nankalaza izany zava-nitranga izany tamim-pifaliana izahay dia nahatsapa fankasitrahana lalina ny Raintsika any An-danitra noho ny drafitry ny famonjeny ho an’ireo zanany. Tsapanay ny naha-zava-dehibe ny fianakaviana sy ny fanekempihavanana masina taminy hatrany am-boalohany mihitsy.

Izany lanjany izany dia hita ao amin’ny tantaran’i Jakoba mahatoky ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nanao dia lavitra sy nandreraka mba hitady vady sy hanambady ao anatin’ny fanekempihavanana, ary hanorina fianakaviana.

Indray hariva dia nijanona mba hiala sasatra mandritra ny alina i Jakoba saingy vato no hany hitany mba hatao ondana. Mety tena reraka izy satria mbola nahavita natory ary nanofy.

I Jakoba dia nahita “tohatra niorina tamin’ny tany, ka nipaka tamin’ny lanitra ny lohany; ary, indreo nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

“Ary … indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitr’i Abrahama rainao sy Andriamanitr’i Isaka” (Genesisy 28:12–13).

Avy eo ny Tompo dia nanome fampanantenana ara-panekempihavanana manan-danja vitsivitsy tamin’i Jakoba, fampanantenana izay nataony koa tamin’ny rain’i Jakoba sy ny raiben’i Jakoba, dia i Isaka sy i Abrahama, ka tafiditra ao anatini’zany ny:

  • Fampanantenana fa i Jakoba dia ho rain’ny “firenena maro” (Genesisy 28:3, 14).

  • Tany nampanantenaina ho an’ny taranak’i Jakoba (jereo ny Genesisy 28:4, 13).

  • Fampanantenana fa amin’ny alalan’i Jakoba sy ny “taranany no hitahiana ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany”. (Genesisy 28:14; nampiana fanamafisana).

Tena masina tokoa ny zavatra niainan’i Jakoba ka nanambara izy hoe: “Ato amin’ity fitoerana ity tokoa Jehovah. … Tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra” (Genesisy 28:16–17). Ary noho izany dia nantsoin’i Jakoba hoe Betela ilay faritra, izay midika hoe “tranon’ Andriamanitra” (jereo ny Genesisy 28:19).

Ny tempoly dia tena mitovy amin’izany tohatra hitan’i Jakoba izany. Ireo fampianarana sy ôrdônansy ary fanekempihavanan’ny tranon’ny Tompo dia mampifandray ny lanitra sy ny tany. Ireo fanekempihavanana dia azo ampitahaina amin’ny zana-tohatra amin’ny tohatra iray izay mampanakaiky antsika kokoa amin’ny Tompo. Ary amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataontsika any amin’ny tempoly masina dia mitahy “ny fianakaviana rehetra eto ambonin’ny tany” taloha sy ankehitriny sy ao aoriana isika.

Fomba fijery maha-sambatra momba ny Lanitra

Indray mandeha ny Loholona Bruce C. Hafen, izay mpikambana nisaorana tamim-boninahitra tao amin’ny Fitopololahy, dia nahazo antso an-tariby avy tamin’ny mpamoaka lahatsoratra ho an’ny gazetiboky mpamoaka vaovao nasiônaly iray mba hiresaka momba ny boky iray izay nitrandraka ny tantaran’ireo zavatra inoana momba ny lanitra manerana ireo antokom-pivavahana samihafa.

“Hitan’ireo mpanoratra fa ny olona dia maniry mafy ny hahazo ny lanitra, fianakaviana any an-danitra,” hoy ny Loholona Hafen. Saingy “ny ankamaroan’ireo fiangonana Kristianina dia tsy manome afa-tsy valinteny kely fotsiny momba izany faniriana mafy ao anaty izany” afa-tsy ilay iray izay maningana: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny dia manana tempoly masina isika. Manana ny fanambadiana mandrakizay isika, miaraka amin’ny fahefan’ny famehezana izay mitahy mihoatra ny fahafatesan’ny vatana. Manana ny fampanantenana hoavy mandrakizay miaraka amin’ireo olona akaikin’ny fontsika eo anatrehan’ny Ray sy ny Zanaka isika. Noho izany rehetra izany dia nofintinin’ireo mpanoratra fa ny fihevitry ny Olomasin’ny Andro Farany momba ny lanitra no feno indrindraary ampiako hoe no maha-sambatra indrindra.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny Tompo … dia nahary ny tany mba hahafahantsika mahazo vatana sy manorina fianakaviana. Nanorina ny Fiangonany izy mba hanandratana ny fianakaviana. Manolotra tempoly Izy mba hahafahan’ny fianakaviana hiaraka mandrakizay”.

fianakaviana any amin’ny tempoly

Miaro ny fianakaviana

Tsy tokony hahagaga antsika ny hoe zavatra tena manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra no miatrika fanoherana. Nilaza ny Filoha M. Russell Ballard (1928-2023) hoe: “Fantatr’i Satana fa ny fomba azo antoka sy mahomby indrindra hanembantsembanana ny asan’ny Tompo dia ny fampihenana ny fahombiazan’ny fianakaviana sy ny fahamasinan’ny tokantrano”.

Noho ny fahafantarantsika ny zavatra fantatsika dia tokony ho anisan’ireo mpiaro ny fianakaviana mavitrika indrindra eto amin’izao tontolo izao isika.

Amin’ny fomba ahoana no anaovantsika izany?

Afaka manao “zava-madinika sy tsotra” isika (Almà37:6) izay manamafy orina ny fifandraisan’ny fianakaviana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarahana ireo fitsipika voalaza ao amin’ny fanambarana ho an’ny fianakaviana: “finoana, vavaka, fibebahana, famelan-keloka, fanajana, fitiavana, fangorahana, asa, ary fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy”. Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainan’ny fianakavianao amin’izao fotoana izao dia azonao aseho amin’ny alalan’ny zavatra ataonao fa manan-danja mandrakizay aminao ny fifandraisan’ny fianakaviana.

Rehefa miaina sy miaro ary mizara ireo fahamarinana mandrakizay momba ny fianakaviana isika dia afaka manampy ny hafa hahita fa “ny fianakaviana no ivon’ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany” ary ny “ny tempoly masina no ahafahan’ny tsirairay hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy ahafahan’ny fianakaviana ho iray mandrakizay.”

Jesoa Kristy

The Chosen One [Ilay Voafidy)], nataon’i Dan Wilson

“Izaho momba anao”

Rehefa mijery ireo olona ao amin’ny fianakavianay manao fanekempihavanana masina amin’ny Raintsika any An-danitra be fitiavana sy mandrakizay izaho sy Rahavavy Uchtdorf dia feno fifaliana sy fankasitrahana ny fonay. Tsy faly fotsiny noho ny amin’ireo zanakay sy ireo zanany izahay fa faly koa noho ny amin’ireo ray aman-dreninay sy ny ray aman-drenin’izy ireo. Misaintsaina amim-pitiavana lalina ny fomba ampiraisan’ireo fanekempihavanan’ny filazantsara ireo taranaka mifandimby izahay.

Ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo an’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba tao amin’ny nofiny dia misy ifandraisany tanteraka amin’ny fianakaviana. Ary mipaka amin’ireo zanaky ny fanekempihavanany rehetra izany, ka tafiditra ao anatin’izany izaho sy ianao. “Ary … indro,” hoy ny Tompo, “Izaho momba anao ka hiaro anao amin’izay làlan-kalehanao rehetra, … fa tsy handao anao Aho” (Genesisy 28:15).

Mampanantena aho fa rehefa manaraka sy mizara ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ho an’ny fianakaviana ianareo dia homba anareo Izy, indrindra rehefa tonga eo aminareo na eo amin’ireo olona akaikin’ny fonareo ireo fitsapana. Hanohana anareo sy hampitraka anareo, ary hitarika anareo ho any amin’ny fahafenoan’ny fifaliana miaraka Aminy Izy, miaraka amin’i Jesoa Kristy Zanany, ary miaraka amin’ny fianakavianareo—, mandrakizay.