Valiny fohy sy mivantana
Inona no fantatsika momba an’i Rebeka, vadin’i Isaka?
Rebekah at the Well [I Rebeka teo amin’ny fantsakana], nataon’i Michael Deas
Ireto misy zavatra sasantsasany fantatsika momba an’i Rebeka:
Tsara toetra sy tsara tarehy izy. Jereo ny Genesisy 24:16.
Tsara fanahy sy navitrika izy. Nanao dia lavitra ny mpanompon’i Abrahama mba hitady olona iray ho an’i Isaka zanakalahin’i Abrahama mba hanambady ao anatin’ny fanekempihavanana. Nijanona teo amin’ny fantsakana iray izy ary nivavaka mba ho ilay vehivavy izay hisintona rano ho azy sy ny ramevany niisa 10 no hotendren’ Andriamanitra mba hanambady an’i Isaka. Nanao izany i Rebeka. (Jereo ny Genesisy 24:1–28).
Nanana finoana lehibe izy. Rehefa nanontaniana i Rebeka ny ampitson’izany raha toa ka hiverina hiaraka amin’ny mpanompon’i Abrahama izy, dia nilaza fa hanao izany. Nanana finoana ny Tompo izy, izay nitarika azy. (Jereo ny Genesisy 24:50–58.) Nihazona fanantenana tao anatin’ny fanekempihavanany koa izy nandritra ny 20 taona mahery tsy nananan-janaka (jereo ny Genesisy 25:20, 26).
Nandray fanambarana momba ny fianakaviany izy. Rehefa bevohoka kambana i Rebeka dia nilaza taminy ny Tompo hoe: “Hanompo ny zandriny ny zokiny” (Genesisy 25:23). Taty aoriana dia hitany ny nandavan’i Esao, ilay zokiny, ny torohevitry ny Tompo sy tsy nanajany ny fizokiany ary ny fanehoan’i Jakoba, ilay zandriny, fahatokiana. Nanampy an’i Jakoba handray ny tsodranon’ny fizokiana izy ary nampitandrina azy fa te hamono azy ny rahalahiny. (Jereo ny Genesisy 27).