Ahoana no ahafahako manampy ireo namako sy ny fianakaviako?
Nitsidika ny Nefita i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty ka nanasa azy ireo hanao zavatra izay ahitana lamina ho an’ny zavatra azontsika atao koa amin’ny maha-mpianany maoderina antsika. Hoy Izy:
“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? … Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, … na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindramim-po” (3 Nefia 17:7).
Jereo ny fomba namalian’ireo mpianatra fahiny ireo.
“Ny valalabemandry iray manontolo, [dia] nandroso niaraka tamin’ny marariny … sy tamin’ireo rehetra izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany; ary nositraniny ny tsirairay avy taminy” (3 Nefia 17:9).
Fantatro fa velona i Jesoa Kristy ary mbola Ilay Mpanasitrana malemy fanahy Izy. Rehefa mamaly ny fanasany mba hitondra ireo namantsika sy ny fianakaviantsika ho eo Aminy isika dia hanasitrana azy ireo amin’ny fombany manokana Izy.
“Ary izy rehetra, na ireo izay nositranina, na ireo izay salama, dia samy niankohoka teo an-tongony, sy nitsaoka Azy” (3 Nefia17:10).
Ndeha isika tsirairay hanatona an’i Kristy rehefa mitondra ny hafa ho eo Aminy amin’izao vanim-potoanan’ny Paska izao.
Amim-pitiavana,
Sean R. Dixon
Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany