Ho zatovo mahery!
Dia iray nankany amin’ny tempoly
Ho zatovo mahery!, martsa 2026


Feon’ny zatovo

Dia iray nankany amin’ny tempoly

zatovovavy iray eo amin’ny tempoly

Sary nataon’i Katelyn Budge

Nisy fotoana tsy nahafahako nandeha nitsidika ny tempoly izay nandritra ny enin-taona teo ho eo. Ireo taona ireo no fotoana maizina indrindra teo amin’ny fiainako satria nodimandry koa ny reniko tao anatin’izany fotoana izany. Naniry ny handeha ho any amin’ny tempoly aho, saingy adiny iray miala avy any an-trano izany, ary sady tsy nanana vola handoavana ny saram-pitaterana aho no tsy nisy na iza na iza afaka nitondra ahy.

Tamin’ny taona lasa dia nantsoina ho filohan’ny kilasin’ny Zatovovavy aho. Rehefa nangataka ahy mba hanampy azy handrafitra ireo fiaraha-mientana mandritra ny taona ny mpitarika ahy tao amin’ny Zatovovavy dia nolazaiko azy fa ny zavatra voalohany tokony hataonay dia ny mandeha any amin’ny tempoly. Rehefa nambarako tamin’ireo zatovovavy izany dia tena faly izy ireo! Ho an’ny ankamaroan’izy ireo dia izany no fotoana voalohany handehanany any. Nivavaka sy nifady hanina fatratra aho teo am-panomananay hanao ilay dia. Tsy tiako hisy zavatra tsy mety izany.

Rehefa tao amin’ny tempoly aho dia tsapako ho nohamaivanina ny enta-mavesatro rehetra. Nanao fampanantenana mba hitsidika matetika kokoa ny tempoly aho. Zavatra niainana tena tsara sy fitahiana izany. Tena faly aho fa nandray anjara tamin’ny asa lehiben’ny Raintsika any An-danitra izaho sy ireo zatovo namako.

Fantatro fa ny tempoly dia trano masin’ny Tompo, izay hanatanterahana ireo ôrdônansy masina. Any isika dia afaka mitalaho amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka, ary Izy dia handamina ny zavatra rehetra araka ny fotoanany sy hameno antsika amin’ny fitiavana ary hanome antsika fiadanana maharitra mandrakizay. Fantatro fa rehefa mitodika any an’i Kristy isika dia hahita ireo fahagagana ilaintsika. Zanaka malalan’ny Raintsika any An-danitra isika, ary manana asa lehibe ho antsika Izy, dia ny manangona an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly izany.

zatovovavy

Precious K., 17 taona, Abia State, Nigéria

Tia mihaino mozika, mihira, ary maka namana vaovao izy.