Avia, hanaraka Ahy
Eksodosy 12
Paska ho antsika ny Fanasan’ny Tompo
Manan-javatra iraisana ny Paska fahiny sy ny fanasan’ny Tompo atrehintsika isan-kerinandro.
Sary nataon’i Alyssa Tallent
Talohan’ny nahafahan’ireo Isiraelita fahiny niala tamin’ny fanandevozana azy ireo tany Egypta dia nasaina nanaraka torolalana manokana avy amin’ny Tompo izy ireo mba hahafahan’ilay anjely mpandringana hitsimbina azy ireo, na handalo azy ireo (jereo ny Eksodosy 12). Rehefa nandao an’i Egypta ny Isiraelita, dia nanao fety isan-taona, izay nantsoina hoe Paska, mba hahatsiarovana ny fomba nanafahan’ny Tompo ny vahoakan’ny fanekempihavanany.
Tao anatin’ilay herinandro farany niainany teto an-tany dia namonjy ny sakafon’ny Paska i Jesoa Kristy. Antsointsika ankehitriny hoe ny Fiaraha-misakafo Farany izany sakafo izany. Nampiasa izany fotoana izany ny Mpamonjy mba hampahafantarana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, izay andraisantsika anjara isan-kerinandro ankehitriny. (Jereo ny Matio 26:26–28; Lioka 22:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79.)
Ireto ireo zavatra anankiroa iraisan’ny Paska voalohany sy ny Fanasana farany, ary ny fanasan’ny Tompo ankehitriny izay afaka manampy antsika hahatsiaro ny fanafahana antsika amin’ny alalan’ny Mpamonjy.
Ny Mofo
Paska: Nandritra ny fito andro dia nihinana mofo tsy misy masirasira ny Isiraelita (izay sady vetivety kokoa ny mikarakara azy no tsy mora bobongolo sy tsy mora lo).
Fanasana Farany: Nitsodrano sy nanapatapaka ny mofon’ny Paska tsy misy masirasira i Jesoa Kristy, ary nomeny izany ireo mpianatra. Nasainy nihinana izany izy ireo ho fahatsiarovana ny vatany, izay fantany fa homboina tsy ho ela sy ho faty, saingy hitsangana indray.
Fanasan’ny Tompo: Mihinana mofo isika ho fahatsiarovana ny vatan’i Jesoa Kristy.
I Jesoa Kristy no Mofon’aina Amin’ny alalan’ilay Fitsanganany tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana tonga lafatra sy tsy mety lo ary tsy mety maty isika rehetra. Mamonjy antsika amin’ny fahafatesana Izy.
Ny Ran’ny Zanak’ondry
Paska: Ny zanak’ondrin’ny paska dia zanak’ondry tsy misy kilema ary zanak’ondry lahy izay iray taona. Novonoina izany, ary nangonina tao anaty lovia jobo iray ny rany. Natsoboka tao anatin’ilay lovia jobo ny Hysopa (zavamaniry iray) ary nampiasaina mba hanapariahana ny rà manodidina ny tolam-baravarana ivelan’ny trano. Izany no famantarana tety ivelany izay namantarana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay holalovan’ilay anjely mpandringana mba hahafahana manafaka azy ireo amin’ny fanandevozana tany Egypta.
Fanasana farany: Nampiasa divay i Jesoa Kristy mba hanehoana ny rany. Nilaza tamin’ireo mpianany Izy mba hisotro izany ho fahatsiarovana ny rany, izay halatsaka ho azy ireo ho famelana ny fahotana sy ho anisan’ny mandrafitra ny fanekempihavanana vaovao.
Fanasan’ny Tompo: Misotro rano isika ho fahatsiarovana ny ran’i Jesoa Kristy.
Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy. Nalatsaka ny rany nandritra ny fijaliana nozakainy noho ny fahotantsika sy ny rofintsika. Ny rany sy ny sorona nataony dia manadio antsika. Manafaka antsika amin’ny fahotana Izy.