Tantara avy ao amin’ny Testamenta Taloha
Genesisy 37–47
Namidy tany Egypta
Josefa
Sary nataon’i Katy Dockrill
Ny tantarany
Ilay palitao lava
I Josefa no zanaka tian’i Jakoba rainy indrindra. Nanaovan’i Jakoba palitao lava miavaka izy. Nitsiriritra ireo rahalahin’i Josefa. (Vao mainka nanampy trotraka izany ilay nofn’i Josefa nifono fanentanam-panahy avy amin’Andriamanitra fa hanapaka eo anivon’izy ireo izy indray andro any).
Ilay famadihana
Namidin’ireo rahalahin’i Josefa tany Egypta izy ary nolazain’izy ireo i Jakoba fa maty i Josefa. Andevo i Josefa tany Egyptaary nalefa tany am-ponja noho ny heloka tsy nataony. Naneho fahatokiana tamin’ Andriamanitra foana izy ka niaraka taminy sy nitahy azy ny Tompo.
Ilay mosary
Tamin’ny farany dia nanazava ny nofin’i Farao i Josefa ary nanome torohevitra azy mba hiomanana amin’ny mosary iray ho avy. Nataon’i Farao ho mpanapaka tany Egypta i Josefa. Taty aoriana kely dia nandeha tany Egypta ny rahalahin’i Josefa mba hividy voa. Tsy tsapan’izy ireo fa nangataka fanampiana tamin’ilay rahalahy izay namidin’izy ireo izy ireo!
Ilay fanafahana
Nampahafantatra ny tenany tamin’ireo rahalahiny i Josefa ary nanolotra sakafo sy fialofana ho azy ireo tany Egypta. Namela azy ireo izy ary nanavotra ny fianakaviany. Ireo rahalahy ireo ihany no lasa Foko Roa ambin’ny folo amin’i Isiraely.
Ny tantaranao
Tahaka an’i Josefa, dia mety hiaina andro izay hahatsapanao ho nisy namadika na nandratra ianao. Mety hisy fiantraikany lehibe ny zavatra ataon’ny olona hafa. Saingy rehefa maneho fahatokiana amin’ Andriamanitra ianao ary miezaka mamela ny hafa dia hampaherezina sy hotahina.