Ho zatovo mahery!
Ilay Hosana nataoko manokana
Ho zatovo mahery!, martsa 2026


Ilay Hosana nataoko manokana

Isika tsirairay dia manana zavatra eo amin’ny fiainantsika izay mitarika antsika mba handohalika.

zatovovavy

Ny iray amin’ireo toko ao amin’ny Testamenta Vaovao tiako indrindra dia miresaka momba ny fidiran’i Jesoa Kristy tamim-boninahitra- tao Jerosalema. Nihiaka ny olona hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Hosana any amin’ny avo indrindra” (Matio 21:9). Isaky ny mamaky izany aho dia mieritreritra hoe: Inona ilay zavatra ilako fanafahana izay anaovako Hosana manokana?

Miakanakam-piteny aho nandritra ny androm-piainako manontolo. Indraindray aho dia nahatsapa ho sorena sy kivy satria tsy afaka niteny tamin’ny fomba tiako hanaovana izany. Naniry ny hahay hiresaka tsara na tsy hiresaka intsony mihitsy aho. Miahiahy foana aho rehefa miresaka eo anoloan’ny hafa na rehefa mivavaka mafy aza. Nitalaho mangina imbetsaka aho mba hanana faharetana sy fiadanana ary fanampiana. Iray amin’ireo hosana ataoko manokana izany, ilay fitalahoako mba hahazo fanafahana.

Tahaka ny niraharahian’i Kristy ny hikiakia nataon’ny vahoaka tao Jerosalema, dia tsy mba tsy niraharaha ny ahy velively Izy. Tsy nanala ny fiakanakanam-pitenenako Izy, saingy nampatanjaka ahy tamin’ny fomba izay tsy nampoiziko Izy. Nanampy ahy hahatsapa fiadanana Izy tao anatin’ny fotoanan’ny tebiteby sy hahatsapa fa tsy mampaninona Azy ny feoko na dia mety misy tsy fahatomombanana aza.

Isika tsirairay dia manana zavatra eo amin’ny fiainantsika izay mitarika antsika mba handohalika. Indraindray isika dia mety hahatsapa fa tsy misy valiny ny fitalahoantsika. Saingy maheno ny Hosana atao rehetra Izy. Ary ho tonga hanampy antsika Izy amin’ny fombany tonga lafatra sy amin’ny fotoanany.

Nijaly noho ny fahotantsika i Kristy tao Getsemane ary nahatsapa ny fanaintainantsika sy ny ady atrehantsika. Manohy mitarika sy mampionona ireo rehetra izay mitodika any Aminy sy any amin’ny Ray any An-danitra Izy. Ilay Kristy izay nijaly ho antsika tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana ihany koa dia nitsangana avy tao am-pasana, ka nandresy ny fahafatesana mba hahazoantsika fanantenana. Ny Fitsanganany tamin’ny maty no valiny faratampony ho an’ny Hosana rehetra.

Mipetraka any Californie, États-Unis ny mpanoratra.

Fanamarihana

  1. Ny hoe Hosana dia midika hoe “vonjeo re izahay” na “vonjeo izao” amin’ny Teny Hebreo (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).