Harena miafina
Mitady ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Taloha
Diniho akaiky; halalino tsara.
Mety mieritreritra ny olona sasany fa ny Testamenta Taloha, izay nosoratana talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy ka tsy manonona an’i Jesoa Kristy amin’ny anarany sy tsy manana zavatra betsaka holazaina momba ny Paska. Saingy araka ny fanazavan’ny Bokin’i Môrmôna dia nahafantatra sy nanam-pinoana ny Mpamonjy koa ny olona tamin’ny andro fahiny (jereo ny Jakôba 4:4).
Nampianarina ny Isiraelita fa ny tanjon’ny lalàn’i Mosesy dia ny hampitodika azy ireo ho any amin’i Kristy. Ohatra, rehefa sitrana tamin’ny kaikitry ny bibilava misy poizina izy ireo tamin’ny alalan’ny fijerena ilay menarana varahina izay nasain’ny Tompo namboarin’i Mosesy, dia nampianatra azy ireo i Mosesy fa tandindon’ny Mpamonjy izany, izay ho avy sy hamonjy azy ireo amin’ny fahotan’izy ireo (jereo ny Nomery 21:7–9; Almà 33:18–20).
Indrisy anefa fa maro amin’izany fanazavana izany no tsy hita ao amin’ny Baiboly izay ananantsika amin’izao fotoana izao, noho ny fanovana, izay natao tamim-panahy iniana na tsy nampoizina, nandritra ny taonjato maro (jereo ny 1 Nefia 13:23–27).
Saingy raha mijery ianao dia mbola afaka mahita andinin-tsoratra masina maro momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ao amin’ny Testamenta Taloha. Ndeha isika hiresaka momba ny vitsivitsy amin’izany!
Alahadin’ny sampan-kazo, Getsemane, ary ilay Fitsapana
“Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena; Malemy fanahy sady mitaingina boriky. Dia zana-boriky tanora” (Zakaria 9:9).
Tanteraka izany tamin’ny alalan’ny zavatra fantatra ankehitriny amin’ny hoe Alahadin’ny Sampan-kazo izay fito andro talohan’ny Paska, rehefa niditra tamim-boninahitra tao Jerosalema i Jesoa (jereo ny Matio 21:15).
“Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina”(Isaia 53:4).
Tao Getsemane, ny Mpamonjy dia nijaly noho ny fahotana rehetra, ary nahatsapa ny alahelo, ny fanaintainana, ny aretina ary ny fahorian’ny olona rehetra izay efa niaina na mbola hiaina eto an-tany. Noho izany dia fantany ny fomba hampiononana antsika ao anatin’ireo fitsapana lalovantsika (jereo ny Almà 7:11–13; jereo koa ny Matio 8:17).
“Nampahoriana Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava; dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy, eny tsy niloa-bava Izy”(Isaia 53:7).
Tsy niteny i Jesoa rehefa nanontany Azy ilay mpisoronabe (jereo ny Marka 14:60–61).
Ny Fanomboana
“Ny fiangonan’ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tànako izy” (Salamo 22:16).
“Mizara ny fitafiako ho azy izy, ary ny akanjoko ilokany”(Salamo 22:18).
“Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaigitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho”(Salamo 69:21).
Ny fanomboana dia fomba famonoana mahazatra tamin’izany fotoana izany, saingy ireo miaramila Romana kosa dia tena feno haratsiam-panahy tokoa tamin’ny fanarabiana sy ny fampijaliana nataon’izy ireo tamin’ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 19:1–3; Matio 27:34–35, 48).
Ny Fitsanganana tamin’ny maty
“Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra hiala sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin’ny tany rehetra; fa Jehovah no efa niteny” (Isaia 25:8).
“Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy. Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra” (Joba 19:25--26).
Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo. Velona izy ankehitriny! Manamafy izany ireo soratra masina sy fijoroana ho vavolombelona tsy tambo isaina. Ankoatra izany dia fantatry ny Raintsika any An-danitra hatrany am-piandohana fa hila Mpamonjy isika, ka efa nanomana ireo zanany hatrany amin’ny andron’ny Testamenta Taloha izy mba handray ny Mpamonjy.