Ho zatovo mahery!
Mankalaza ny Mpamonjy
Ho zatovo mahery!, martsa 2026


Feon’ny zatovo

Mankalaza ny Mpamonjy

fianakaviana iray miaina ny Paska

Sary nataon’i Katelyn Budge

Tiako ny Paska. Tiako ny miara-mivory amin’ny fianakaviana mba hankalaza an’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty. Ny fanokanana fotoana iarahana amin’ny fianakaviako dia zavatra tena tiako foana, saingy ny fieritreretana ny zavatra rehetra nataon’ny Mpamonjy ho antsika dia mahatalanjona kokoa.

Rehefa miomana amin’ny fihazana atodin’ny Paska izahay dia asianay soratra masina ao anatin’ireo atody. Mamaky ireo soratra masina izahay rehefa mahita azy ireo mandritra ilay fihazana. Nanao fasana kely izahay indray mandeha. Avy eo dia nosoratanay ny ahiahinay rehetra, ka napetrakay tao anatin’ilay fasana izany ary nasianay vato teo anoloan’izany. Ny ampitson’io dia nanjavona avokoa ireo taratasy rehetra izay nampahatsiahy anay ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anay eo anatrehan’ny ahiahinay.

I Jesoa Kristy no Namako tonga lafatra sy Namako any An-danitra. Fantatro fa na inona na inona mitranga, dia ho takany foana ny momba ahy.

zatovovavy

Zoi S., 17 taona, Bavière, Allemagne

Mankafy ny fandihizana sy ny taranja tennis ary ny fahavitrihana izy.