Fankalazana ny Paska: Ny Zava-misy fotsiny
Ireto misy zavatra sasantsasany izay mety tsy fantatrao momba ny fankalazana ny Paska.
L’entrée triomphale du Christ dans Jérusalem, nataon’i Harry Anderson
Inona avy ny zavatra fantatrao momba ny Paska? Mety ho fantatrao ny ampahany manan-danja indrindra: Fankalazana ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty izany.
Mety manana fanontaniana vitsivitsy momba ny Paska ianao sy ny fomba ankalazan’ny ankamaroan’ny olona izany, ary koa ny antony ifantohantsika amin’izany araka izao fomba anaovantsika azy izao. Ireto misy valin’ny vitsivitsy amin’ny fanontaniana toa izany.
Inona no atao hoe Alahadin’ny Sampan-kazo sy Herinandro Masina?
Ny Herinandro Masina dia ankalazana ny herinandro farany teo amin’ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teto an-tany. Ny Alahadin’ny Sampan-kazo no andro voalohany amin’ny Herinandro Masina. Ankalazana ny andro nidiran’i Jesoa Kristy tamim-boninahitra tao Jerosalema izany, izay nitaingina boriky tanora, ho fanatanterahana ny faminaniana. Namelatra sampan-drofia sy lamba teo amin’ny tany teo anoloany ny olona ary nihiaka hoe: “Hosana”. (Jereo ny Matio 21:6–11). Nitranga herinandro talohan’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izany, izay nankalazaina tamin’ny Paska, izay andro farany amin’ny Herinandro Masina. Izany herinandro izany koa dia ahitana ny Zoma Masina (fahatsiarovana ny fanomboana an’i Kristy sy ny fandevenana Azy).
Le Christ à Gethsémané, nataon’i Dan Burr
Oviana ny Kristianina no nanomboka nankalaza voalohany ny Paska?
Ny firaketana voalohany indrindra ananantsika momba ny karazana fankalazana ny Paska dia nitranga teo amin’ny tapatapaky ny taonjato faharoa (eo anelanelan’ny 160 sy 170 taona taorian’i J.K.). Na izany aza, ny Kristianina dia mety nanao lanonam-pahatsiarovana ny Fanomboana an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty tamin’ny fomba samihafa tany aloha lavitra izany . Satria ireo izay manaraka an’i Jesoa Kristy dia mino fa ny sorona fanavotana nataony, izay niafara tamin’ny Fitsanganana tamin’ny maty, no zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra, dia midika izany fa efa nankalaza ireo zava-nitranga ireo hatrany am-piandohan’ny Kristianisma izy ireo. Ankehitriny isika dia afaka mankalaza ny Sorompanavotan’i Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty isaky ny alahady rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.
Nahoana no miovaova be ny datin’ny Paska isan-taona?
Sarotsarotra kely izany, saingy ny kajy fototra hahafantarana ny Alahadin’ny Paska dia izao: Ny Alahady voalohany aorian’ny “fenomanan’ny paska,” izay fenomanana voalohany aorian’ny ekinôksan’ny lohataona any amin’ny Ilabolantany Avaratra (21 Martsa). (Tena sarotra kokoa noho izany ilay izy, saingy ampy io fanazavana io hatreto.)
Zava-misy roa no anton’io raikipohy io: (1) nitranga nandritra ny Paskan’ny Jiosy ny Fanomboana ny Mpamonjy, ary (2) nitranga tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro ny Fitsanganany tamin’ny maty (Alahady).
Niady hevitra ireo Kristianina tany am-piandohana raha toa ka manan-danja kokoa ny mankalaza ny Paska amin’ny Paskan’ny Jiosy na amin’ny alahady. Ny Paskan’ny Jiosy dia fety Jiosy mifanaraka amin’ny tetiandro Hebreo, izay tetiandro araka ny volana izay tsy mifanaraka amin’ny tetiandro araka ny masoandro ampiasain’ny ankamaroan’ny olona. Amin’ny tetiandro Hebreo dia ankalazaina ny andro faha-14 ao anatin’ny volana fahafito ny Paskan’ny Jiosy. Ankoatra izany, isaky ny roa na telo taona, dia manampy volana fanampiny iray izany mba hifanaraka foana amin’ny fizaran-taona. Noho izany, ny fampifanarahana ny Paska amin’ny Paskan’ny Jiosy dia nidika fa ny daty dia hiovaova tokoa ary mahalana vao ho amin’ny alahady.
Mba handravonana ilay fanontaniana dia nanapa-kevitra ny hanambatra ny daty hankalazana ny Paska ny filankevitra Kristianina iray natao tamin’ny 325 taona taorian’i J.K.
Noho izany, ho famintinana: Raha miainga avy amin’ny kajy ampiasain’ny ankamaroan’ny Kristianina, ny Alahadin’ny Paska dia afaka ny ho tonga aloha tahaka ny hoe 22 martsa na ho tara tahaka ny hoe 25 aprily.
In Remembrance of Me [Ho fahatsiarovana Ahy], nataon’i Walter Rane
Ahoana no nahatonga ny bitro sy ny atody ho nisy ifandraisany tamin’ny Paska?
Ny bitron’ny Paska (na biby hafa) izay mitondra atody dia nanomboka niseho tany Eorôpa tamin’ny taonjato faha-17. Tsy nahazatra ireo zavatra ireo raha tsy tamin’ny taonjato faha-19. Inoana fa ny olona dia nindrana izany avy tamin’ireo mari-pamantarana ny lohataona sy ny fanavaozana ary ny fiainana izay tsy avy amin’ny Kristianisma, ka nampifandray izany tamin’ny Paska sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.
Jesus Christ Coming out of Tomb (I Jesoa nivoaka avy tao am-pasana), nataon’i Dan Burr
Nahoana isika no tena mifantoka tokoa amin’ny Paska?
Ny Fiadidiana Voalohany dia nangataka antsika mba hampiaka-danja ny fankalazantsika ny Paska. “Na inona na inona inoan’ny hafa na ataony dia tokony hankalaza ny Fitsanganan’ilay Mpamonjintsika velona tamin’ny maty isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny fampianarany sy ny fanampiana eo amin’ny fametrahana ireo fombafomba fanao rehefa Paska eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, indrindra fa ao anatin’ny fianakaviantsika. Manasa anareo izahay hanao izany” (Dallin H. Oaks, “He Is Risen!: A Special Easter Season Message from the First Presidency” [horonan-tsary], Médiathèque de l’Évangile).