Fanontaniana sy valiny
“Ahoana no ahafahako mifantoka kokoa amin’ny Mpamonjy mandritra ny vanim-potoanan’ny Paska?”
”Miezaka mifantoka amin’ny Mpamonjy aho amin’ny alalan’ny fihainoana hira mankahery, ny fieritreretana Azy kokoa, sy ny fitodihana any Aminy eo amin’ny fiainako andavanandro ary ny fivavahana matetika. Tiako koa ny mamaky ny soratra masina mba hianarana momba ny Fitsanganany tamin’ny maty sy ny fanantenana entin’izany ho ahy”.
Maxwell R., 16 taona, Missouri, États-Unis
“Mitady soratra masina iarahan’ny fianakaviana vakina isan’andro na isan-kerinandro mba hampahatsiahy anao an’io fotoana manan-danja teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy io. Mitady fahafahana manompo ny hafa amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy isan’andro”.
Ahonima A., 15 taona, Tongatapu, Tonga
“Afaka mifantoka bebe kokoa amin’i Kristy aho amin’ny alalan’ny fizarana zavatra momba Azy an-jotra isan’andro”.
Caleb F., 17 taona, Arizona, États-Unis
“Mamaky soratra masina izay maneho ny fiainany, indrindra fa ilay herinandro farany talohan’ny Fanomboana Azy. Ny tantara tiako indrindra dia ny Matio 21–27. Ny famakiana ny soratra masina dia manampy ahy hahatsapa ho akaiky kokoa ny Mpamonjy ahy sy hahatakatra kokoa ny Sorompanavotany”.
Grace M., 15 taona, Alberta, Canada
“Ny Paska sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mampahatsiahy ahy momba ny fiantombohana vaovao sy ny fahafahana manomboka indray. Ny fanavaozana ny zavatra mahazatra fanaoko isan’andro sy ny fanaovana jery todika indray ny tanjoko dia manome fahafahana ahy hamerina hampifantoka ny fiainako amin’ i Kristy sy hahatsiaro Azy kokoa mandritra ity fotoana miavaka ao anatin’ny taona ity.“
Lilly H., 17 taona, Californie, États-Unis