Miala voly kely
Sary nataon’i Mark Robison
Piozila momba ny fomba amam-panao amin’ny Paska
Nandeha tany an-tsena ny zatovo niisa enina fotoana fohy talohan’ny Paska. Amin’ny alalan’ny fampiasana ilay sary sy ireo fanazavan-dalana dia ampifandraiso amin’ny fomba fankalazana Paska mifantoka amin’i Kristy fanaon’ny fianakaviany ny zatovo tsirairay. (Jereo ny pejy 16 mba hahitana ny fomba ahafahan’ireo fomba amam-panao ireo mifantoka amin’ny Mpamonjy!)
-
Ella
-
David
-
Frieda
-
Juan
-
Giulia
-
Oliver
Fomba amam-panao
-
Mandefa papangohazo
-
Mandrandrana ravin-drofia
-
Manao afon-dasy
-
Mandoko atody
-
Mameno confetti (taratasy madinika kely miloko isan-karazany) ny ao anatin’ny akoran’atody ary mamaky izany
-
Mihinana mofo iray manokana
Fanazavan-dalana:
Ilay zatovo izay manamboatra afon-dasy dia naman’ilay zatovo mandefa papangohazo.
Manana alika ilay zatovo izay manao mofo iray manokana.
Tia akondro ilay zatovo izay mandrandrana ravin-drofia.
Mila atody maro i Ella ho an’ilay fety fankalazana hataony.
Manantena i David fa hisy rivodrivotra ho an’ilay fety fankalazana hataony.
Misy zatovolahy iray manamboatra akoran’atody feno confetti (taratasy madinika kely miloko isan-karazany).
Papangohazo hafahafa kely
Any Bermudes dia maro ireo olona mandefa papangohazo rehefa Paska mba hahatsiarovana ny fitsanganan’i Kristy avy tao am-pasana. Iza amin’ireo papangohazo no nalefan’ilay zatovo?
1.
2.
3.
Fifaninanana haiku
Ny haiku dia karazana tonokalo japôney izay ahitana andalana telo fotsiny. Ny andalana voalohany dia ahitana vaninteny dimy, ny andalana faharoa dia ahitana vaninteny fito, ary ny andalana fahatelo dia vaninteny dimy. (Raha tsy fantatrao ny dikan’ny hoe “vaninteny” dia anontanio ny reninao, na olona hafa mahay izany.)
Anjaranao indray izao! Manorata haiku iray ho an’ny Paskamomba ny sorona nataon’ny Mpamonjy na ny Fitsanganany tamin’ny maty. Midika inona aminao ny Sorompanavotana nataony?
Alefaso email any amin’ny fstoy@ChurchofJesusChrist.org ny haiku nataonao (amin’ny fitenin-drazanao) mba ho voarakitra!
Tantara an-tsary mifono hatsikana
Hitanao ry David, afaka manome trondro ho anao aho ary mamahana anao mandritra ny iray andro, na afaka mampianatra anao hanjono aho ka hamahana anao mandritra ny androm-piainana iray manontolo!
Tsy aleo ve isika ry Dada mividy pizza fotsiny?
Ryan Stoker
Valiny
Piozila momba ny fomba amam-panao amin’ny Paska: 1D, 2A, 3C, 4E, 5B, 6F
Papangohazo hafahafa kely Ny papangohazo 1 no papangohazo nalefan’ny zatovo iray