Tsy ho very fanantenana velively
Rehefa mieritreritra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika isika dia afaka manohy mandroso hatrany isika noho ny fahafantarana fa miaraka amintsika mandrakariva Izy.
Sary nataon’i Albert Espi
Alaivo sary an-tsaina hoe mifatotra ao an-damosinao ny tananao, ary mifatotra ny tongotrao, ka avy eo dia atsipy ao anaty dobo filomanosana iray ianao izay 3 metatra ny halaliny! Inona no hataonao? Moa ve ianao hitolona mba hijanonana ho mitsingevana ka handrera-tena, sa ve ianao hijanona ho tony ka hitady fomba iray hahatafavoahana ao anatin’io toe-javatra sarotra io?
Ireo izay miofana mba ho tafiditra ao anatin’ny Tafika An-dranomasina SEAL izay an’i États-Unis dia miatrika io fanamby io mihitsy. Antsoina hoe “fiarovan-tena amin’ny filentehana an-drano” izany. Ny tanjona dia ny hanaporofo ny fahafahany miaina ao anaty rano ao anatin’ny toe-javatra samihafa. Raha vantany vao voafatotra sy atsipy ao anaty rano izy ireo dia mitaky azy ireo hilentika hatrany any amin’ny fanambanin’ilay dobo filomanosana tsy am-pikoropahana ny ampahany amin’ilay fitsapam-pahaizana, sy hanosika amin’ny tongotra ny fanambanin’ilay dobo filomanosana mba hiakarana any ambonin’ny rano, ary avy eo dia maka aina vetivety fotsiny alohan’ny hilentehana indray. Averimberina mandritra ny fotoana voafaritra izany.
Ny ankamaroantsika dia tsy handeha hiatrika ny fiofanana atolotry ny Tafika an-dranomasina SEAL , fa angamba misy zavatra sasantsasany azontsika ianarana avy amin’izany, ary angamba mety hahazo fankasitrahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany eny an-dalana eny.
Mpamonjy anao amin’ny zavatra rehetra
Ny tafika an-dranomasina SEAL dia miantehitra amin’ny fiofanany sy ny toe-batany mba hahombiazana amin’izany fitsapam-pahaizana henjana izany, ary tsy maintsy mamita izany amin’ny alalan’ny herin’ny tenany manokana izy ireo. Hiatrika olana eo amin’ny fiainana daholo isika rehetra, saingy tsy voatery hiatrika irery velively ireo olana atrehantsika tahaka ny tafika an-dranomasina SEAL ao anatin’ny fiofanana ataon’izy ireo isika.
Rehefa voafatotry ny fahotana, ny tebiteby, ny alahelo, na ny olana hafa isika ka mahatsapa ho toy ny milentika dia afaka mitodika any amin’i Jesoa Kristy. Rehefa mahatsapa isika fa tafalentika lalina ka tsy ho tafakatra intsony, dia afaka mahatsiaro fa efaniainan’ny Mpamonjy izany, ary hanome antsika ny hery hiakarana sy hiainana indray ary hanohizana ny lalana Izy. Rehefa miaraka Aminy isika dia tsy ho very fanantenana velively.
I Jesoa Kristy no Mpamonjy anao amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. I Jesoa Kristy no Mpanavotra anao rehefa lavo ianao ary ilaina sitranina ara-panahy. I Jesoa Kristy no Mpanasitrana anao amin’ny ratra ara-pihetseham-po sy ara-panahy ary indraindray ny ratra sy ny fanaintainana ara-batana izay Izy irery ihany no afaka manasitrana izany. Ireo anarana ireo sy ireo anarana hafa iantsoana an’i Jesoa Kristy dia manondro fa Izy no Ilay hitodihana, indrindra rehefa sarotra ny fiainana.
Amin’izao akatokyny Paska izao dia mankalaza ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy amin’ny maty isika. Velona Izy! Ary satria velona Izy dia ho velona indray isika ka hahazo ilay fampanantenana ny fiainana mandrakizay. Saingy talohan’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nijaly tao Getsemane ny Mpamonjy ary maty teo amin’ny hazo fijaliana ho antsika satria tia antsika Izy. Izy dia “nidina tambanin’ny zava-drehetra”, tsy nijaly fotsiny ho an’ny fahotantsika fa niaina fanaintainana, alahelo, fahoriana, ary fakam-panahy isan-karazany koa, mba hahafahany mahafantatra ny fomba hanampiana antsika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6; jereo koa ny Almà 7:11).
Mahità fanantenana ao Aminy
Rehefa nohomboana ny Mpamonjy dia toa tsy nisy fanantenana avokoa ny zava-drehetra. Kivy ireo mpianany. Nanaraka Azy izy ireo, nino Azy, saingy lasa Izy ankehitriny. Rehefa napetraka tao am-pasana i Jesoa dia niatrika alahelo sy fiahiahiana izy ireo. Saingy telo andro taty aoriana, ny alahady, dia foana ilay fasana. Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy! Ilay zavatra izay nisy fotoana nafoy dia niova ho fananana fanantenana ankehitriny!
Raha toa ka tsapa ho maizina sy mahakivy ny zava-drehetra, toy ny hoe natsipy tao anaty dobo filomanosana niaraka tamin’ny tanana sy tongotra voafatotra ianao, ary tsy mahita lalana ivoahana, dia makà fotoana hahitana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy, ary tsarovy fa tsy mbola tonga any amin’ny farany tsotra izao ianao.
Tsy ho tonga tamin’izany Alahadin’ny Paska nitondra fifaliana izany ny Mpamonjy raha tsy niaritra tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana telo andro talohan’izany aloha. Noho izany, raha mandalo fotoan-tsarotra ianao dia aza milavo lefona! Nilaza ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo indray mandeha hoe: “ Raha ao anatin’ny haizin’ny alahelo isika dia mbola ho avy ilay Alahady. … Na manao ahoana na manao ahoana ny alahelontsika dia dia mbola ho avy ilay Alahady”.
Amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia eo foana i Jesoa Kristy mba hanampy anao hahita fiadanana sy ho tafasondrotra kokoa noho izay azonao antenaina.