Ho zatovo mahery!
Afaka manasa ny rehetra aho
Ho zatovo mahery!, martsa 2026


Feon’ny zatovo

Afaka manasa ny rehetra aho

tanora eo am-pihazana atodin’ny paska

Sary nataon’i Katelyn Budge

Mampitaintaina ahy ny mizara ny filazantsara amin’ny namana kanefa mahafaly sy mampientanentana ahy koa. Isan-taona izahay dia manao fihazana atodin’ny paska ao an-tranonay. Manasa ireo misiônera sy ireo namanay izay tsy mpikamban’ny Fiangonana izahay.

Matetika koa aho manasa ireo namako ho any am-piangonana na hanatrika ny fiaraha-mientan’ny zatovo. Namana iray ihany no tonga tany amin’ny fiaraha-mientana iray, ary tsy mbola nisy tonga tany am-piangonana. Saingy manohy manasa azy ireo aho mba hahafahan’izy ireo hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy hiara-hiaina Aminy indray. Mahafaly ahy ny manompo ny hafa amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hanatona an’i Kristy.

I Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ilay Zanakondrin’ Andriamanitra, ary Ilay Mpiandry Tsara. Fantatro fa ho afaka ny hiara-hiaina amin’ Andriamanitra indray isika raha manaraka Azy.

zatovolahy

Akoni C., 13 taona, Hawaii, États-Unis

Tia manao fanatanjahan-tena, mihazakazaka eny amin’ny kianja fihazakazahana ary manorina zavatra izy.