Ho zatovo mahery!
Mifandraisa
Ho zatovo mahery!, martsa 2026


Mifandraisa

Fabio pj.

16, Salzbourg, Aotrisy

zatovolahy

Sary nalain’i Ashlee Larsen

Rehefa Paska dia mazàna izahay no miara-mivory amin’ny fianakavianay iray manontolo, manodidina ny 30 ka hatramin’ny 40 eo ho eo ny olona. Fony aho mbola kely dia tsy andriko foana ilay harona misy atody sy soôkôlà . Ary tena nahafinaritra izany. Saingy ankehitriny dia mifantoka kokoa amin’ny dikan’ny Paska aho.

Any am-piangonana isika dia miresaka matetika momba ny Paska. Ary mandritra ny fandalinako ny soratra masina dia mifantoka kokoa amin’ny zava-nitranga tamin’ny Paska aho. Mieritreritra an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nataony ho antsika aho, ary mahatsapa fifandraisana matanjaka kokoa Aminy.

Ny soratra masina tiako indrindra dia ny 3 Nefia 15:9. Izany dia milaza hoe: “Indro, Izaho no lalàna sy fahazavana. Mijere aty Amiko ary mahareta hatramin’ny farany dia ho velona ianareo; fa izay maharitra hatramin’ny farany no homeko ny fiainana mandrakizay”.

Raha manohy miezaka ny hisafidy ny tsara eo amin’ny fiainako aho, tahaka ny ataoko amin’izao fotoana izao, dia afaka miverina any Aminy sy mahazo ny fiainana mandrakizay.