Ho zatovo mahery!
Tsy voatery ho matihaniana ianao
Ho zatovo mahery!, martsa 2026


Tsy voatery ho matihaniana ianao

Na “manan-talenta” na tsia dia afaka mahazo fitaomam-panahy ny olona rehetra.

tanora mampiseho ny talentan’izy ireo

Sary nataon’ny Getty Images

Maro amintsika no efa niaina ny fahitana zavakanto na fialamboly tena miavaka ka nieritreritra hoe, “Inay aho mba afaka nanao izany , saingy tsy dia manan-talenta loatra aho”.

Maro amin’ireo asa kanto tianao indrindra tokoa no nataon’ny olona manana talenta ara-boajanahary maro. Saingy ho gaga ianao satria matetika dia olon-tsotra nahazo hevitra tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy fotsiny izany.

Ny “Let Easter Anthems Ring [Pour Pâques, tous, chantez]” izay iray amin’ireo hira vaovao ao amin’ny fihirana izay vao navoaka vao haingana, dia nosoratan’ny Olomasin’ny Andro Farany iray antsoina hoe Larry A. Hiller. Mpanoratra sy mpamoaka lahatsoratra matihanina izy taloha (efa misotro ronono ankehitriny), fa tsy mpanoratra hira. Tsy mpihira na mpilalao mozika mahay koa izy.

Olona tia mozika fotsiny izy ary nahazo hevitra tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy.

Fony izy mpitarika ny amboarampeon’ny paroasy taona maro lasa izay dia nanandrana nampiasa ny tanany mba hanoratana tononkira vaovao ho an’ny hira tranainy iray izay hitany rahalahy Hiller. Nankafiziny izany traikefa izany ka nanontany namana iray izay niasa tao amin’ny Fiangonana izy raha toa ka mahafantatra hira hafa izay mila tonony vaovao. Natorony azy ny hira iray izay nosoratana tamin’ny taona 1800.

Hoy rahalahy Hiller hoe, “Nipetraka aho niaraka tamin’ilay hira teny amiko ary tonga tato an-tsaiko avy hatrany ireo teny hoe: -Rise up, ye Saints, rejoice [Saints, levez-vous, joyeux!] - Ary nanomboka teo aho dia nahatsapa ilay lahatsoratra tamin’ny ankapobeny sy ny tokony ho endrik’izany, ka ho—hira firavoravoana momba ny Mpamonjy izany”.

Navoaka tao amin’ny Ensign izany hira izany tamin’ny 2012. Nisy andininy efatra izany ary niresaka mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. “Izany dia nanamafy ny hoe: -you will see your loved ones again; there’s a resurrection [hahita ireo olon-tianao indray ianao; misy ny fitsanganana amin’ny maty]-”, hoy rahalahy Hiller. Rehefa namoaka ilay antso fangatahana fiaraha-miasa momba ireo hira vaovao ao amin’ny fihirana ny Fiangonana dia nangatahina rahalahy Hiller mba hamerina hampifantoka manokana ny tononkirany amin’ny Paska.

Rehefa avy nanova ny maro tamin’ireo tonony izy, na dia nijanona ao amin’ny andalana voalohany aza ilay hoe “Rise up, ye Saints, rejoice [Saints, levez-vous joyeux]”, dia manana hira iray ao amin’ny fihirana izay ahitana andininy telo antsoina hoe “Let Easter Anthems Ring [Pour Pâques, tous, chantez!]” Rahalahy Hiller ankehitriny. Azonao atao ny mihira izany mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo amin’ity vanim-potoanan’ny Paska ity!

Moa ve nahatsapa fitaomam-panahy rahalahy Hiller rehefa nanoratra ilay tononkira izy?

“Somary mahamenatra ny milaza izany”, hoy izy. “Fa eny ny valiny. Nisy ireo fotoana izay nahatsapako ny firotsahan’ireo teny tao an-tsaiko. Mahafinaritra sy mitondra fifaliana mangina izany. Ary matetika aho no afaka mahatsapa ny akon’izany fifaliana izany rehefa mamerina mamaky zavatra iray izay tena nampihetsi-po manokana ahy tamin’izany fotoana izany. Izany fotsiny ihany dia mamerina ireo fahatsapana ho mijoro ho vavolombelona ireo. Saika toy ny miverina miaina ilay zavatra niainana izany”.

Azo antoka fa ho tian’ny olona ilay hira, saingy ilay olona toa tena nahazo tombony tamin’izany dia (feon’amponga) … ilay nanoratra izany! Ny fampiasana ny talentantsika sy ny hevitra izay azontsika tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy dia tsy mitahy ny hafa fotsiny fa mitahy antsika koa.