Paska amin’ny fotoana rehetra
Ataovy vanim-potoanan’ny fanantenana ny Paska amin’ny alalan’ny fanakaikezana kokoa ny Mpamonjy.
Sary nataon’i Toby Newsome
Ny Alahadin’ny Paska voalohany, rehefa namangy ny fasan’i Kristy i Maria Magdalena sy ireo vehivavy hafa dia nilaza tamin’izy ireo ireo anjely hoe: “Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (Matio 28:6). Nitondra fanantenana lehibe ho an’ireo mpianany io hafatra io taorian’ny fahakiviana nateraky ny fanatrehana ny Fanomboana Azy.
Inona ary ilay vaovao tsara indrindra? Mbola marina izany hafatra izany. Mbola ilay nitsangana tamin’ny maty i Kristy hatramin’izao. Mbola ilay mandresy ny fahafatesana sy ny fahotana Izy hatramin’izao. Ary ny fanantenana avy amin’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia mbola mitoetra ho anao, tsy mandritra ny Paska fotsiny fa amin’ny fotoana rehetra!
Tsy ny Paska ihany no andro ahafahanao manome voninahitra ny Fitsanganana amin’ny maty. Andramo ny sasany amin’ireto sosokevitra ireto mba hahatonga ny Paska, sy ny fankalazany ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty, ho vanim-potoana iray manontolo iainana fanantenana sy fifaliana.
Halalino ny fiainan’ny Mpamonjy
Ny soratra masina dia fitaovana mahery vaika hanampy anao hahafantatra manokana an’i Jesoa Kristy sy hanamafy orina ny finoanao Azy. Mandritra ny vanim-potoanan’ny Paska dia azonao atao ny mampifantoka ny fandalinanao soratra masina amin’ilay herinandro farany niainany na amin’ilay fitsidihany ny vahoaka tany Amerika amin’ny maha-Mpamonjy izao tontolo izao nitsangana tamin’ny maty Azy. Ny famakiana ireo tantara mafonja ireo dia afaka manampy anao hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy anao sy hahatakatra kokoa ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.
Raha tsy azonao antoka hoe inona avy ireo andinin-tsoratra masina tokony hifantohana, dia azonao atao ny manandrana manaraka ny torolalana ho an’ny fandalinana ny Paska ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy na ireo torolalana ho an’ny fandalinana hafa izay navoaka ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly
Ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana sy ny fahafantarana fa hitsangana amin’ny maty koa isika no “hafatra lehibe indrindra amin’ny hafatra rehetra ho an’ny olombelona”. Noho ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia afaka ny ho mandrakizay ny fianakaviantsika, ary ny razambentsika rehetra dia afaka ny hanana fahafahana hanao fanekempihavanana masina.
Afaka mankalaza ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ianao ary manohy ny asany amin’ny fanavotana ireo izay any amin’ny tranomaizin’ny fanahy (jereo ny 1 Petera 3:18–20) amin’ny alalan’ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Ny asa fanompoana ataonao any amin’ny tempoly dia manome fahafahana ireo fanahy ireo hisafidy ny handray ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Sorompanavotan’i Kristy koa.
Manompo ny hafa tahaka ny ho nataon’i Kristy
Nampahery sy nanompo ny hafa i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoana nataony teto an-tany, eny fa na dia teo amin’ny hazofijaliana aza. Afaka manome voninahitra ny ohatra nasehony ianao amin’ny alalan’ny fanompoana ny olona manodidina anao amin’ny fomba izay ho nataony. Na ny fihetsika tsotra maneho hatsaram-panahy toy ny mitsiky matetika sy mihaino tsara ny hafa, ary ny fanampiana ao an-trano aza dia afaka mamorona tontolo hanjakan’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy. Rehefa manompo ny hafa ianao dia samy afaka mahatsapa ny fanantenana sy ny hatsaran’ny vanim-potoanan’ny Paska ianao sy izy ireo.
Mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pisainana
Ny Mpamonjy mihitsy no nametraka fombafomba iray mba hanampiana anao hahatsiaro Azy bebe kokoa noho ny zavatra hafa rehetra, dia ny fanasan’ny Tompo izany. Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia mampiseho fa ianao dia vonona ny “hahatsiaro Azy mandrakariva sy hitandrina ny didiny” ary ho valin’izany dia mampanantena Izy fa “hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka ami[nao]” ianao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77). Fampanantenana mahery vaika izany! Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro ianao dia afaka manomboka mahatsapa ny fahamarinan’izany fampanantenana izany mandritra ny Paska sy amin’ny fotoana rehetra.
Miezaha misaintsaina ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary ny Fitsanganany tamin’ny maty rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao. Mivavaha amin-kitsimpo, ary miezaha mieritreritra ny fomba nitahian’ny sorona nataony anao manokana.