Ho zatovo mahery!
Paska iray nifantoka amin’ny Mpamonjy
Ho zatovo mahery!, martsa 2026


Paska iray mifantoka tamin’ny Mpamonjy

sy fiainana mifantoka amin’ny Paska

Afaka mahazo ny herin’ny fampiononana sy fiovana avy amin’ny Mpamonjy avokoa isika rehetra.

zatovolahy

Sary nalain’i Janae Bingham

Niresaka momba ny tena dikan’ny Paska sy ny fomba tokony hankalazantsika izany izahay tao amin’ny seminera. Tsy resaka vatomamy sy bitro fotsiny izany fa mikasika ny Mpamonjy izany. Nanontany tena aho hoe, “Inona avy ireo fomba amam-panao amin’ny Paska izay azoko atomboka ao an-tranonay ka mifantoka kokoa amin’ny Mpamonjy”?

Jesoa Kristy

Tiako ny manorina zavatra amin’ny alalan’ny biriky kilalao LEGO®. Nahita sarin’ny Mpamonjy avy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile an-jotra aho ary navadiko mba ho lasa torolalana hanamboarana ny Mpamonjy amin’ny biriky kilalao izany. Namboariko teo am-pihainoana ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ilay sary atao amin’ny biriky kilalao. Rehefa vitako izany dia nahantoko tao an-tranoko.

Fianakaviana eo an-databatra fisakafoana

Mizara sarivongana kelin’ny Mpamonjy

Nividy sarivongana kelin’i Jesoa Kristy iray boaty lehibe koa aho ho an’ny Paska. Tamin’ny voalohany dia nikasa ny hanafina izany manerana ny sekoliko aho. Saingy rehefa nahita ilay boaty ny olona tany an-tsekoly dia nangataka sarivongana kely izy ireo. Nanomboka nangataka koa ireo mpampianatra. Ary avy eo nangataka iray avy ireo ankizy izay tsy neritreretiko velively fa te hanana ilay sarivongan’i Jesoa. Noho izany dia nomeko ny olona rehetra izay hitako izany.

zatovolahy mitendry contrebasse (lokangabe) mijidina

Tsy natahotra niresaka na tamin’iza na tamin’iza ny Mpamonjy, eny fa na dia tamin’ireo olona tena nailika teo amin’ny fiarahamonina nisy Azy aza. Ninamana tamin’izy ireo izy. Nandany fotoana niarahana tamin’izy ireo Izy. Niara-nisakafo tamin’izy ireo Izy. Ny fizarana ireo sarivongana kely ireo dia nampianatra ahy hahay hifandray amin’ny hafa kokoa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy. Nampianatra ahy koa izany fa na iza ianao na iza, na inona na inona eritreretinao fa nataonao, dia misy foana ny toerana ho an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao.

Miova amin’ny alalan’ny Mpamonjy

Nandritra ny fiainako manontolo dia nanontany tena aho hoe ahoana no hahazoako anjara amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy? Saingy tamin’io Paska io dia nianatra aho fa raha manao fanovana eo amin’ny fiainako aho mba ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa, dia hiasa eo amin’ny fiainako ny fahasoavany manavotra. Ary raha miezaka manova ireo zavatra madinika isan’andro aho dia hanomboka ho lasa tsaratsara kokoa.

Nandritra ny taona vitsivitsy teo amin’ny fiainako dia nanana olana tamin’ny pôrnôgrafia aho. Taorian’ny lesona iray tao amin’ny seminera dia nahazo fitaomam-panahy mba hiresaka amin’ny evekako aho. Mora kokoa ny nanomboka nandresy ilay tolona natrehako raha vao noteneniko tamin’ny evekako sy ny ray aman-dreniko izany tamin’ny farany, satria tena sarotra ny miatrika irery izany

zatovolahy iray mivavaka

Nanomboka niezaka nivavaka sy namaky ny soratra masina isan’andro aho ary niezaka ny ho tsara fanahy kokoa tany an-tsekoly. Nanampy ahy izany satria nifantoka bebe kokoa tamin’ny Mpamonjy noho ny tamin’ny fahotako aho. Nitodika tany Aminy bebe kokoa noho ny tany amin’izay nisy ahy taloha aho.

Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nandresy ilay toloko tamin’ny pôrnôgrafia aho. Lasa tonga kokoa tamin’ilay nilain’ Andriamanitra hahatongavako aho. Afaka manamasina ny fanasan’ny Tompo aho izao satria manova ahy sy manadio ahy ny Mpamonjy. Feno fankasitrahana aho fa mendrika ny hampiasa ny fisoronana mba hitahiana ny fiainan’ireo manodidina ahy.

fianakaviana mandalina ny soratra masina

Mampifandray ny Paska amiko

Tamin’ity taona ity nandritra ny seminera dia niaina zavatra tena nahafinaritra aho rehefa niresaka momba ny sorona nataon’ny Mpamonjy izahay. Nanana ity eritreritra ity aho hoe, nandritra ilay fotoana nijaliany dia tokony ho azony natao tamin’ny fotoana rehetra ny nampitsahatra izany. Saingy naka sary an-tsaina Azy nieritreritra aho avy eo hoe, “Tsia, mila manohy manao izao aho. Mila manao izao ho an’i Ben aho. Mila izany izy. Ho ahy izany eritreritra izany dia tena nampifandray tanteraka ny fifandraisako tamin’ny Mpamonjy tamin’ny Paska.

fianakaviana

Amin’ny Paska manaraka, dia mety hanamboatra ny sarin’i Jesoa amin’ny alalan’ny biriky kilalao iray hafa aho. Te hanolotra sarivongana bebe kokoa aho. Na ahoana na ahoana, dia hieritreritra ny fijalian’i Kristy sy ny Sorompanavotana nataony ho ahy aho. Noho Izy dia afaka mibebaka amin’ny fahotako aho ary afaka ny hiverina any Aminy sy amin’ny Ray any An-danitra indray andro any.

Fantatro fa niaina sy maty ho antsika tsirairay manokana ny Mpamonjy ary fantany hoe iza isika ary inona no ilaintsika. Raha tena miezaka isika dia afaka mahazo ilay heriny mankahery sy manova, ary afaka ny ho lasa olona tsaratsara kokoa.

Ny mpanoratra dia monina any Idaho États-Unis.