Mankalaza ny Paska
Eo am-pahatsiarovana an’Ilay tokony hifantohana.
Fomba amam-panao amin’ny Paska miisa 6 manerana izao tontolo izao sy ny fomba ahafahan’izany manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.
Sary nataon’i Judy Bloomfield
|
Fomba amam-panao |
Mifandray amin’i Kristy |
|---|---|
|
1. Atodin’ny Paska Atody, atody, atody. Manerana izao tontolo izao, ireo atodin’ny Paska dia haingoina, tadiavina, akodiadia, vakina ary hanina. Any Allemagne sy Autriche, dia ahantona eny amin’ny hazo ireo atodin’ny Paska (Ostereierbaum). Any Mexique, dia esorina ny ao anatin’ilay atody ary fenoina confetti (taratasy madinika kely miloko isan-karazany) (cascarones) ary avy eo vakina amin’ny lohan’ ny olona iray. |
Marina tokoa fa maro ireo olona mampiasa atody mba hankalazana ny Paska kanefa tsy mifantoka amin’ny Mpamonjy mihitsy. Anjaratsika ny mifantoka amin’ny Mpamonjy ao anatin’ireo fomba amam-panaontsika amin’ny Paska. Ny atody dia afaka ny ho tandindon’ny fiainana vaovao, izay misy ifandraisany mivantana amin’ny fitsanganana amin’ny maty. Ny fandokoana amin’ny loko mena dia nampiasaina tao anatin’ireo kolontsaina sasantsasany mba hanehoana ny sorona nataon’ny Mpamonjy. Ary rehefa vakina ny atody iray dia afaka mampahatsiahy antsika ilay fasana foana sy ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ilay akoran’atody. Raha tsy mbola nampifandray ny fomba amam-panaonao amin’ny Paska Taminy ianao dia izao no fotoana hanombohana izany! |
|
2. Afon’ny Paska Ny fanaovana afon-dasy dia fomba amam-panao mahazatra amin’ny Paska, indrindra any Allemagne, Pays-Bas, Croatie ary Finlande. |
Ny afo amin’ny fotoanan’ny Paska dia afaka mampahatsiahy antsika mba hitodika any amin’ny Mpamonjy, izay mitondra fahazavana sy hafanana ho an’izao tontolo izao ary raha ny marina dia ilay Fahazavan’izao tontolo izao mihitsy (jereo ny Jaona 8:12). |
|
3. Sakafo manokana Manerana an’izao tontolo izao rehefa Paska dia misy sakafo mifono tandindona anankiroa hanina foana foana: zanak’ondry sy mofo. |
Ny zanak’ondry dia afaka ny hanondro an’ilay Zanakondrin’ Andriamanitra , ilay Mpamonjy mihitsy. Ny mofo dia afaka ny hampahatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy, izay Mofon’aina (jereo ny Jaona 6:35). |
|
4. Sampan-kazo mihofahofa Any amin’ny firenena sasany, toy an’i Italie, Espagne, Philippines, Mexique, Egypte, ary Ethiopie, dia mandrandranaravin-drofia na zavamaniry hafa ny olona ny Alahadin’ny Sampan-kazo. |
Ny Alahadin’ny Sampan-kazo no alahady mialoha ny Paska ary ankalazana ny fidiran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema, ka namelatra ravin-drofia teo anoloany ny vahoaka tamin’izany. |
|
5. Papangohazo manidina Any Bermudes rehefa Paska dia mampanidina papangohazo maroloko ny olona! |
Izany fomba amam-panao izany dia mpampahatsiahy amin’ny fomba mahafinaritra ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny niakarany tany an-danitra taorian’izany. |
|
6. Fitsaohana ao am-piangonana Tsy hadino ny iray amin’ireo fomba amam-panao manan-danja indrindra amin’ny Paska, dia ny fandehanana any am-piangonana izany! Mankany am-piangonana isika ny Alahadin’ny Paska mba handray ny fanasan’ny Tompo sy hahatsiaro ny Mpamonjy. (Raha mandritra ny Paska ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia afaka mahatsiaro Azy isika amin’ny alalan’ny fihainoana izany, ary mandray ny fanasan’ny Tompo indray ny herinandro manaraka.) |
Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika isika ary manavao izany amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo dia voatahy isika mba hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika. Afaka manampy antsika hifandray amin’ny Mpamonjy amin’ny Paska sy amin’ny andro hafa koa izany. |
Zatovo mandray anjara: Fomba amam-panaon’ny tena manokana amin’ny Paska
“Manome atodin’ny Paska vita amin’ny sokolà ho an’ireo misiônera ao amin’ny paroasiko aho”.
Jennyfer M., 23 taona, Pernambuco, Brésil
“Nanao ilay fiaraha-misakafo farany ny fianakavianay ary niezaka nanao izany ho toy ny fomba amam-panao araka izay azo atao izahay.”
Alice F., 16 taona, Utah, États-Unis
“Mandeha mankany amin’ny fasana izaho sy ny fianakaviako, miara-mihira hira ao amin’ny fihirana ary mijoro ho vavolombelona.
Rachel G., 19 taona, Virginie, États-Unis
“Nandeha tany amin’ny tempoly aho nandritra ny faran’ny herinandron’ny Paska.”
Avery A., 17 taona, Nevada, États-Unis
“Namaky ireo Filazantsara sy ny tantaran’ny fiainan’i Jesoa aho! Fifaliana lehibe ny mianatra momba Azy mandritra ny Paska.“
Esteban A., 15 taona, San José, Costa Rica
“Tany Polynésie Française dia nanao fampisehoana iraisam-pinoana ho an’ny Paska ho an’ny zatovo izahay. Tao anatin’ny tafio-drivotra sy ny onja, dia nanao izany ho ho alin’ny fahagagana sy fifaliana ary firaisan-kina ny Tompo”.
Tehina C.T., 24 taona, Tupua’i, Polynésie Française
“Tamin’ity taona ity aho dia nifantoka tamin’ny fandalinana ny zavatra nataon’i Kristy nandritra ny Herinandro Masina”.
Maddysen R., 18 taona, Utah, États-Unis