Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 9: I Jesoa Fony Zazalahy kely


Toko 9

I Jesoa Fony Zazalahy kely

Jesus as a boy, praying - ch.9-1

Lehibe tao amin’ny tanànan’i Nazareta i Jesoa. Nianatra zavatra maro Izy ka “nihanahery, … ary ny fahasoavan’Andriamanitra dia tao aminy.”

Lioka 2:39–40

Jesus goes with Joseph, Mary and others to Jerusalem - ch.9-2

Rehefa feno 12 taona i Jesoa, dia niaraka tamin’i Josefa sy i Maria tao anatin’ny vondron’olona iray handeha hanatrika andro firavoravoana tany Jerosalema. Tany izy ireo nandritra ny andro maromaro.

Lioka 2:41–43

Joseph and Mary returning home from Jerusalem without Jesus - ch.9-3

Rehefa nandeha nody i Josefa sy i Maria, dia nieritreritra izy ireo fa niara-dia taminy niverina tany Nazareta niaraka tamin’ny namany i Jesoa. Kanefa dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa.

Lioka 2:43–44

Joseph and Mary looking for Jesus in Jerusalem - ch.9-4

Rehefa nitady an’i Jesoa i Josefa sy i Maria, dia tsy nahita Azy. Tsy nisy na iray aza tamin’ireo olona niara-dia taminy nahita Azy. Ary dia niverina tany Jerosalema i Josefa sy i Maria. Nitady an’i Jesoa nandritra ny hateloana izy ireo. Tena nalahelo izy ireo.

Lioka 2:44–46

Jesus with the teachers in the temple - ch.9-5

Nony farany dia nahita an’i Jesoa tany amin’ny tempoly izy ireo, niresaka tamin’ny mpampianatra maromaro. Namaly ny fanontanian’izy ireo Izy. Gaga tamin’ny fahalalana maro nananan’i Jesoa ireo mpampianatra.

Lioka 2:46–47

Joseph and Mary find Jesus in the temple - ch.9-6

Nolazain’i Maria i Jesoa fa niahiahy ny momba Azy izy sy i Josefa. Novalian’i Jesoa izany nanao hoe nanao ny Asan’ny Rainy Izy, ny asan’Andriamanitra. Tsy azon’i Josefa sy i Maria ny tiany nolazaina.

Lioka 2:48–50

Jesus returns with Joseph and Mary to Nazareth - ch.9-7

Nandeha nody niaraka tamin’i Josefa sy i Maria i Jesoa ary nankatò azy ireo.

Lioka 2:51

Jesus continues to study - ch.9-8

Nianatra bebe kokoa hatrany ny momba ny asan’ny Rainy any an-danitra i Jesoa.

Lioka 2:52

Jesus grows tall and strong - ch.9-9

Nihalehibe sy natanjaka Izy.

Lioka 2:52

Jesus as a youth handing bread to a girl - ch.9-10

Tia Azy ny olona. Nanao izay tian’Andriamanitra hataony Izy.

Lioka 2:52

Jesus as a youth, praying - ch.9-11

Tia Azy Andriamanitra.

Lioka 2:52