Toko 45
Ireo Farantsankelin’ilay Mpitondratena
Nandeha tany amin’ny tempolin’i Jerosalema i Jesoa. Nijery ireo olona manome vola ho an’ny fiangonana Izy. Maro ireo mpanan-karena nanome vola be.
Marka 12:41
Nisy mpitondratena mahantra iray nanome farantsakely roa. Tsy dia vola be izany, fa izay no vola rehetra nananany.
Marka 12:42, 44
Hitan’i Jesoa ilay mpitondra tena ary nilaza tamin’ny mpianany ny zavatra nataony Izy.
Marka 12:43
Nilaza Izy fa ireo mpanan-karena ireo dia nanome vola mihoatra lavitra noho ny narotsany, kanefa mbola tokony hanome bebe kokoa izy ireo.
Marka 12:43–44
Tsy nanam-bola intsony ilay mpitondratena. Nomeny daholo izay rehetra nananany. Nanome betsaka kokoa an’Andriamanitra izy noho ireo mpanan-karena ireo.
Marka 12:44