Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 53: Nohomboana tamin’ny Hazo Fijaliana i Jesoa


Toko 53

Nohomboana tamin’ny Hazo Fijaliana i Jesoa

The soldiers mock and spit on Jesus - ch.53-1

Nokapohin’ny miaramila karavasy i Jesoa. Nampitafian’izy ireo lamba volomparasy Izy. Nanamboatra satroka tsilo izy ireo ary napetrany teo ambony lohan’i Jesoa. Nihomehezany Izy ary nororainy. Nantsoin’izy ireo hoe: “Mpanjakan’i Jiosy” Izy.

Marka 15:15–20

Jesus is nailed to the cross and lifted up between two thieves - ch.53-2

Maro ireo olona nanaraka ireo miaramila rehefa nentin’izy ireo teny amin’ny havoana iray akaikin’i Jerosalema i Jesoa. Nasain’izy ireo nitondra ny hazo fijaliany Izy. Nofantsian’izy ireo teo amin’ny hazo fijaliana ny tanany sy ny tongony ary dia natsangany izany. Nisy lehilahy roa hafa koa, izay jiolahy, nohomboan’izy ireo.

Lioka 23:27, 33; Jaona 19:17–18

Jesus asks Heavenly Father to forgive the soldiers - ch.53-3

Nivavaka i Jesoa. Nangataka ny Ray any an-danitra Izy mba hamela ny helok’ireo miaramila izay namantsika azy teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy fantatr’izy ireo fa Izy no Mpamonjy.

Lioka 23:34

Jesus tells John to care of His mother Mary - ch.53-4

I Maria renin’i Jesoa, dia nijoro teo akaikin’ny hazo fijaliana. Teo ihany koa i Jaona Apôstôly. Nasain’i Jesoa mba karakarain’i Jaona tsara ny reniny. Nentin’i Jaona nody ny renin’i Jesoa.

Jaona 19:25–27

Jesus dies on the cross - ch.53-5

Rakotra haizina ny tanàna. Nijaly nandritra ny ora maro teo amin’ny hazo fijaliana ny Mpamonjy. Farany dia niala ny vatany ny fanahiny, ary dia maty Izy.

Matio 27:45, 50

The soldiers are afraid when they see the earthquake - ch.53-6

Rehefa maty Izy, dia nisy horohoron-tany izay nampitresatresaka ny vatolampy. Ny lamba tao amin’ny tempoly, izay nantsoina hoe voaly, dia nitriatra roa. Natahotra ireo miaramila Romana.

Matio 27:51, 54

Jesus' body is placed in a tomb - ch.53-7

Nisy iray tamin’ireo mpianatr’i Jesoa nanala ny vatan’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana. Norakofany lamba izany ary nataony tao am-pasana, izay toerana handevenana ny maty. Nisy vato nakodiadia teo anoloan’ny fasana.

Matio 27:57–60