Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 59: Nianatra momba an’i Jesoa i Saoly


Toko 59

Nianatra momba an’i Jesoa i Saoly

Paul walking with a friend on the road to Damascus. - ch.60-1

Nijery ireo olona namono an’i Stefana i Saoly. Indray andro dia nandeha tany amin’ny tanànan’i Damaskosy niaraka tamin’ireo namany i Saoly. Te-hampiditra ny sasany tamin’ireo mpianatr’i Kristy an-tranomaizina izy.

Asan’ny Apôstôly 7:58; 9:1–2

Paul sees a bright light and hears the voice of Jesus Christ. - ch.60-2

Kanjo nisy hazavana namirapiratra avy any an-danitra izay nanodidina azy. Nianjera tamin’ny tany izy. Avy eo dia nandre ny feon’i Jesoa i Saoly nanontany azy ny antony nanenjehany an’ireo Olomasina. Natahotra i Saoly. Nanontany an’i Jesoa ny tokony hataony izy. Nilaza ny Mpamonjy fa tokony handeha ho any Damaskosy izy. Avy eo dia holazaina amin’i Saoly ny tokony hataony.

Asan’ny Apôstôly 9:3–6

Paul, being blind,  is led by a friend along the road. - ch.60-3

Nanokatra ny masony i Saoly, kanefa tsy afaka nahita. Jamba izy. Nentin’ny namany tany Damaskosy izy.

Asan’ny Apôstôly 9:8–9

Christ appears to Ananias in a vision and tells him to go to Paul. - ch.60-4

Nisy mpianatr’i Jesoa Kristy nantsoina hoe Ananiasy nonina tao Damaskosy. Tao anatin’ny fahitana no nilazan’i Jesoa an’i Ananiasy mba handeha any amin’i Saoly.

Asan’ny Apôstôly 9:10–11

Ananias blesses Paul. - ch.60-5

Nanana ny fisoronana i Ananiasy. Nametraka ny tanany teo ambony lohan’i Saoly izy ary nitsodrano azy mba hiverina indray ny fahitan’i Saoly. Taorian’ny fahasitranany dia natao batisa i Saoly ary nandray ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Asan’ny Apôstôly 9:17–18

Paul preaches the gospel in other lands. - ch.60-6

Novain’i Saoly ho Paoly ny anarany. Nantsoina ho Apôstôly izy. Lasa misiôneran’ny Fiangonana izy. Nanoratra taratasy maro izy. Nandeha tany amin’ny tany maro izy ary nitory ny filazantsara.

Asan’ny Apôstôly 26:16–23; Romana 1:1