Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 41: Mitsodrano ireo Zazakely i Jesoa


Toko 41

Mitsodrano ireo Zazakely i Jesoa

The disciples tell the people not to bring their children to see the Savior - ch.41-1

Nandeha tany Jerosalema i Jesoa. Teny an-dalana teny dia nisy olona vitsivitsy nangataka an’i Jesoa mba hitsodrano ireo zanany. Nilaza tamin’ny olona ireo mpianany mba tsy hanelingelina an’i Jesoa.

Marka 10:13

Jesus tells the disciples to let the little children come and that they should be like little children - ch.41-2

Kanefa i Kristy dia tia ankizy. Nilaza tamin’ireo mpianany Izy mba hamela ireo zaza hanatona Azy. Nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa Kristy fa tokony ho tonga tahaka ny zaza izy ireo. Ary dia ho afaka ny hiara-hiaina amin’Andriamanitra any an-danitra izy ireo.

Marka 10:14–15