Toko 2
I Maria sy ilay Anjely
Nonina tao Nazareta i Josefa sy i Maria. Olona tsara toetra izy ireo. Nifankatia izy ireo ary nikasa ny hivady.
Lioka 1:26–27
Indray andro dia tonga teo amin’i Maria ny anjely Gabriela. Nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela fa homen’Andriamanitra fahasoavana izy.
Lioka 1:26, 28–30
Nilaza tamin’i Maria i Gabriela fa ho renin’ny Zanak’Andriamanitra izy. Ny anarany dia antsoina hoe Jesoa, ary ho Mpanjakan’ny olo-marina rehetra Izy.
Lioka 1:31–33
Nilaza i Maria fa hankatò ny Ray any an-danitra izy ary ho renin’i Jesoa.
Lioka 1:34–35, 38; 1 Nefia 11:18–21