Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 42: Ilay Tovolahy Mpanan-karena


Toko 42

Ilay Tovolahy Mpanan-karena

A rich young man asks Jesus what he needs to do to inherit eternal life - ch.42-1

Indray andro dia nisy tovolahy mpanan-karena nanatona an’i Jesoa ary nanontany Azy ny tokony hataony hidirany ny lanitra.

Marka 10:17

The Savior tells the young man to keep the commandments - ch.42-2

Nilaza taminy ny Mpamonjy mba ho tia sy hanaja ny ray aman-dreniny ary tsy hamono olona na handainga na hangalatra. Nilaza ilay tovolahy mpanan-karena fa nankatò foana ireo didy izy.

Marka 10:19–20

Jesus tells the young man that he needs to sell all that he has and give the money to the poor and follow Him - ch.42-3

Nilaza tamin’ilay tovolahy i Jesoa fa mila manao zavatra iray fanampiny Izy. Mila mivarotra ny fananany rehetra izy ary manome ny vola rehetra ho an’ny mahantra. Dia tokony hanaraka Azy ilay tovolahy.

Marka 10:21

The rich young man is unhappy about selling all that he has and leaves - ch.42-4

Tsy te-hanome ny fananany rehetra ilay tovolahy. Tiany mihoatra an’Andriamanitra ireo zavatra nananany. Niala tamin’alahelo ilay tovolahy.

Marka 10:22

Jesus tells His disciples that it is hard for those who love riches to go to heaven - ch.42-5

Nilaza tamin’ny mpianany ny Mpamonjy fa sarotra ho an’ireo mpanan-karena ny mankany an-danitra. Tsy takatr’ireo mpianany izany. Nanontany izy ireo hoe iza no afaka miaina miaraka amin’Andriamanitra. Nilaza i Jesoa fa ireo olona izay matoky an’Andriamanitra sy tia Azy mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra no afaka miaraka miaina Aminy any an-danitra.

Marka 10:23–30