Toko 8
Heroda Mpanjaka Ratsy Fanahy
Nolazain’ireo Magy tamin’i Heroda fa ho mpanjaka i Jesoa. Tian’i Heroda ho izy irery ihany no ho mpanjaka. Nasainy novonoin’ny miaramilany ireo zazakely rehetra tao Betlehema sy any amin’ny faritra manodidina.
Matio 2:3, 13, 16
Nasain’ny anjely iray nentin’i Josefa tany Egypta, izay firenena lavitra an’i Betlehema, i Maria sy ny zazakely. Tsy hitady an’i Jesoa any i Heroda.
Matio 2:13
Nankatò i Josefa. Efa tany Egypta izy sy i Maria ary i Jesoa raha namono ireo zazakely rehetra tao Betlehema sy tany amin’ny faritra manodidina ny miaramilan’i Heroda.
Matio 2:14, 16
Rehefa maty ny mpanjaka Heroda, dia nasain’ilay anjely nentin’i Josefa nody i Jesoa sy i Maria. Nentin’i Josefa tany Nazareta izy ireo, izay toerana azo antoka ho an’i Jesoa.
Matio 2:19–21, 23