Toko 4
I Josefa sy ilay Anjely
I Josefa dia lehilahy tsara toetra sy tsara fanahy. Efa hivady izy sy i Maria. Rehefa nahafantatra izy fa bevohoka i Maria, dia tsy fantany izay tokony hatao. Satria tsy zanany ilay zaza, dia nieritreritra izy hoe tsy tokony hanambady an’i Maria.
Matio 1:18–19
Indray alina dia niseho tamin’i Josefa tao anatin’ny nofy ny anjely iray ary nilaza taminy fa ny zaza ao an-kibon’i Maria dia zanak’Andriamanitra. Nilaza tamin’i Josefa ilay anjely mba hanambady an’i Maria ary hiantso an’ilay zaza hoe Jesoa. I Jesoa no ho Mpamonjy an’izao tontolo izao.
Matio 1:20–21
Nankatò ilay anjely i Josefa ary nanambady an’i Maria.
Matio 1:24–25