Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 6: Ny Fitondrana an’i Jesoa tany amin’ny Tempoly


Toko 6

Ny Fitondrana an’i Jesoa tany amin’ny Tempoly

The baby Jesus is taken to be presented at the temple - ch.6-1

Raha mbola vao herinandro vitsivitsy fotsiny no nahaterahan’i Jesoa dia nentin’ny ray aman-dreniny tany Jerosalema Izy mba hanolorana Azy ao amin’ny tempoly.

Lioka 2:22

The Holy Ghost reveals to Simeon that he will see Christ - ch.6-2

I Simona izay lehilahy marina iray nonina tao Jerosalema dia tao amin’ny tempoly tamin’izay. Nilaza taminy ny Fanahy Masina fa hahita an’i Kristy izy alohan’ny hahafatesany.

Lioka 2:25–26

Simeon holds Jesus and praises God - ch.6-3

Nahita an’i Jesoa zazakely tao amin’ny tempoly i Simona. Notazoniny teny an-tsandriny i Jesoa ary nidera an’Andriamanitra izy.

Lioka 2:27–29

Simeon speaks while holding Jesus with Joseph and Mary looking on and marvelling at his words - ch.6-4

Nilaza i Simona fa hitondra famonjena ho an’ny olona rehetra ilay zaza. Talanjona tamin’ny zavatra nolazainy i Maria sy i Josefa.

Lioka 2:30–33

Anna sees the baby Jesus in the temple - ch.6-5

I Ana izay vehivavy iray mananotena, dia nahita koa an’i Jesoa ary nahafantatra hoe iza Izy. Nanolotra fisaorana izy ary nilaza tamin’ny olona maro ny momba Azy.

Lioka 2:36–38