Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 31: I Jesoa Nanasitrana Lehilahy Marenina Iray


Toko 31

I Jesoa Nanasitrana Lehilahy Marenina Iray

A deaf man is brought to Jesus to be healed - ch.31-1

Nisy olona vitsivitsy nitondra lehilahy iray teo amin’i Jesoa. Marenina io lehilahy io ary tsy nahay niteny tsara. Tian’ny olona mba hositranin’ny Mpamonjy izy.

Marka 7:32

Jesus puts His fingers in the man's ears and on his tongue and blesses him - ch.31-2

Nentin’i Jesoa nisintaka teo anivon’ireo olon-kafa ilay lehilahy. Napetrany teo amin’ny sofin’ilay lehilahy ny tanany. Nokasihany ny lelan’ilay lehilahy ary nomeny tsodrano izy.

Marka 7:33–34

The man is healed and Jesus tells the people not to tell anyone - ch.31-3

Afaka nandre sy niteny amin’izay ilay lehilahy. Nahazo izay nolazainy ny olona. Nangataka ny olona i Jesoa mba tsy hilazalaza amin’ny olona izay zavatra niseho, saingy nolazain’izy ireo tamin’ny olon-drehetra ihany izany.

Marka 7:35–36