Toko 29
I Jesoa Nandeha teny Ambonin’ny Rano
Taorian’ny namahanana olona 5.000, dia nandeha teny an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka. Nandeha sambo niampita ny Ranomasin’i Galilia ireo mpianany. Rehefa tonga ny alina, dia nanomboka nifofofofo ny rivotra, ary niha-nahery ny onja.
Matio 14:22–24
Nony tonga ny alina, dia tonga namonjy ny toerana nisy ireo mpianany i Jesoa. Nandeha teny ambonin’ny rano Izy mba hahatongavana teny amin’ny sambo.
Matio 14:25
Hitan’ireo mpianany Izy nandeha teny ambonin’ny rano. Natahotra izy ireo. Noheverin’izy ireo fa matoatoa Izy. Niteny tamin’izy ireo i Jesoa hoe: “Izaho ihany, aza matahotra.”
Matio 14:26–27
Te-handeha teny ambonin’ny rano ihany koa i Petera. Nantsoin’i Jesoa mba hanatona Azy i Petera. Nidina niala tamin’ny sambo i Petera. Nanomboka nandeha tambonin’ny rano hanatona ny Mpamonjy izy.
Matio 14:28–29
Satria nifofofofo mafy ny rivotra, dia nanomboka natahotra i Petera. Nanomboka nilentika tao anaty rano izy ary niantso an’i Jesoa mba hamonjy azy.
Matio 14:30
Noraisin’ny Mpamonjy ny tanan’i Petera. Nanontaniany an’i Petera ny antony tsy nananany finoana bebe kokoa.
Matio 14:31
Rehefa tonga teo amin’ny sambo i Jesoa sy i Petera dia nitsahatra ny tafio-drivotra. Niankohoka teo anatrehany daholo ireo mpianany. Fantatr’izy ireo fa Izy no zanak’Andriamanitra.
Matio 14:32–33