Tantara ao amin’ny soratra masina
Toko 52: Ny Fitsarana an’i Jesoa


Toko 52

Ny Fitsarana an’i Jesoa

The men come to take Jesus away - ch.52-1

Nandefa lehilahy nitondra sabatra sy langilangy nankao amin’ny sahan’i Getsemane ireo mpitarika ny Jiosy.

Matio 26:47

Judas Iscariot is with a group of men holding torches - ch.52-2

Niaraka tamin’izy ireo i Jodasy Iskariota. Ireo lohan’ny mpisorona dia nanome vola an’i Jodasy mba hanoroany an’ireo lehilahy ny misy an’i Jesoa.

Matio 26:14–16, 47

Judas kisses Jesus to betray Him - ch.52-3

Nasehon’i Jodasy an’ireo lehilahy hoe iza i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanorohana Azy. Nentin’ireo lehilahy ireo i Jesoa. Noesoesoin’izy ireo Izy. Avy eo dia nentin’izy ireo teo anatrehan’i Kaiafa mpisoronabe i Jesoa.

Matio 26:48–49, 57; Lioka 22:54, 63–65

Jesus is put on trial - ch.52-4

Nametraka fanontaniana tamin’i Jesoa ireo mpitarika Jiosy. Nilaza izy ireo fa efa nandika ny lalàna Izy tamin’ny filazana fa Zanak’Andriamanitra Izy. Nilaza tamin’izy ireo i Jesoa fa Izy no zanak’Andriamanitra. Nilaza izy ireo fa meloka i Jesoa ary tokony ho faty.

Lioka 22:66–71

The Jewish leaders take Jesus to Pontius Pilate - ch.52-5

Tsy nanana fahefana hamono an’i Jesoa ireo mpitarika Jiosy. Nentin’izy ireo teo amin’i Pontio Pilato Izy, izay afaka manameloka an’i Jesoa ho faty. Nilaza tamin’i Pilato ireo mpitarika Jiosy fa nampianatra ny olona tsy hankatò ny lalàna Romana i Jesoa.

Lioka 23:1–2

The crowd asks for Barabbas to be released - ch.52-6

Pilato dia tsy nieritreritra fa nanao zavatra ratsy i Jesoa. Te-hamotsotra an’i Jesoa i Pilato. Tian’ireo vahoaka hohomboana amin’ny hazo fijaliana i Jesoa.

Lioka 23:14–21

Pilate can find no reason to kill Jesus ch.52-7

Mbola tian’i Pilato havotsotra ihany anefa i Jesoa. Kanefa ireo mpisorona sy ireo vahoaka dia nihiaka hatrany hanao izay hanomboana an’i Jesoa amin’ny hazo fijaliana.

Lioka 23:22–23

Pilate washes his hands - ch.52-8

Nanasa ny tanany i Pilato. Nilaza izy fa tsy tompon’andraikitra intsony amin’ny fahafatesan’i Jesoa. Nilaza ireo vahoaka fa izy ireo no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany. Nilaza tamin’ireo miaramilany i Pilato mba hanombo an’i Jesoa amin’ny hazo fijaliana.

Matio 27:24–26